Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Mametraka paikady hiadina amin’ny fiparitahan’ny pesta ny rehetra

Book News 0

“Tsy mbola voafehy tanteraka ny fihanaky ny valan’aretina pesta eto Madagasikara. Mitombo hatrany ireo olona voha na ahiana ho tratran’izy ity manerana ny faritra maro. Manoloana izany, samy nametraka paikady hiadiana amin’ny fipariahany ireo sapandraharaha eto Antananarivo. »

Paikady sy fepetra manoloana ny pesta

Miaina ao anatin’ny tahotra sy tebiteby tanteraka  ny vahoaka Malagasy manoloana ny fianaky ny valan’aretina pesta. Faritra maro no efa tratran’ity aretina ity amin’izao fotoana. Antony iray nampiantoana  ny fampianarana tao anatin’ny fotoana maharitra. Hatreto tena mbola tsy voafehy ny fiparitahan’ity areti-mandoza ity. Na eo aza anefa izany, tsy maintsy manohy ny asa fivelomany isan’andro ny rehetra. Tsy mbola nametraka fepetra amin’ny anaovana Tanana maty an’Antananarivo rahateo ny fanjakana. Manoloana izany, samy mandray fepetra mifanandrify aminy ny rehetra mba iarovana ny mpiasa ao aminy. Ao ireo mitsapa ny hafanan’ireo olona rehetra mivezivezy ao amin’ny toeram-piasany. Ao  ny mametraka tapim-bava na mampanasa Tanana amin’ny alikaola ireo mpanjifa ao aminy alohan’ny idirana ao amin’ny orinasa. Ny fandrarahana ranom-panafody manerana ny toeram-piasana kosa no fepetra noraisin’ ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Tsy afaka hajanona rahateo ny asan’ity sampana ity ka noraisina ny fepetra mba afahana mamono ireo bibikely mitondra aretina sy hiadiana amin’ny fianaky ny valan’aretina.

Ony ranaivoson

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :