Last updated on novembre 2, 2017
Vita omaly ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny USTDA, ny Henri Fraise fils & Cie sy ny mpiaramiombon’antoka Fluidic CATERPILLAR ary First Solar. Ity fifanarahana ity dia hoentina hanomezana fanampiana hampiroboroboana sy hananganana tambazotra madinika mpamokatra sy mpitsinjara herinaratra eto Madagasikara.
804 000 dolara hamatsiana herinaratra
Vita omaly ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa amerikanina USTDA (US Trade and Development Agency) sy ny orinasa tsy miankina anankiroa Henri Fraise fils & Cie sy ny mpiaramiombon’antoka Fluidic CATERPILLAR ary First Solar. Ity fifanarahana ity dia hoentina hanomezana fanampiana hampiroboroboana sy hananganana tambazotra madinika mpamokatra sy mpintsinjara herinaratra eto Madagasikara. Fanomezana mitentina 804.000 dolara arak’izany no entina hamatsiana ny fanadihadiana hanatanterahana ny tetik’asa hamatsiana herinaratra ho an’ny tanana 100. Hatreto mantsy, 15 % an’ny malagasy ihany no mbola mahazo herinaratra. Ny famatsiam-bola avy amin’ny USTDA noho izany dia natao hanampiana ny famatsiana ara-bola ho an’ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-toekarena ny tambajotra madinika fitsinjarana herinaratra mianga amin’ny herin’ny masoandro, mampiasa teknolojian’ny vatoaratra fitehirizana herinaratra. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Rano, « porofo maneho ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny tanjona hanomezana herinaratra azo avy amin’ny angovo madio ny sehatra tsy miankina » izao. Manohana ny tetikasa ny ministeran’ny Rano sy ny Angovo ary ny Akoran’Afo, arak’izany. Marihina fa mifanojo amin’ny fandaharanasa Power Africa izay hampitomboana ny fampiasana ny herinaratra aty atsimon’ny Sahara izao tetikasa izao. Kasaina hahatratra hatrany amin’ny 10 Mw ny vokatra azo avy amin’ireo panneaux solaires na ny masoandro ary 88,1 MWh isan’ora ny faharetan’ireo batterie na ny vatoaratra. Olona miisa 150 000 sy 27 000 mahery no hisitraka izao tetikasa izao, araka ny fantatra avy amin’ny Masoivoho amerikanina. Tsiahivina fa ny taona 2009 ny USTDA no nametraka fandaharanasa farany teto Madagascar tamin’ny famatsiana ara-bola ny fanadihadiana hametrahana ny tohadrano any Volobe.
Toria D.