Last updated on mars 24, 2020
Nahazo solosaina miisa 170 ny Lycée Technique Commercial Ampefiloha (LTC). Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Lions Club Salanitra Antanananarivo, ny Leo Club Ivolanitra, ny PIF TIC, ny OPTA ary ny Ministeran’ny Fampiarana teknika sy ny fiofanana arak’asa.
Fifanaovan-tsonia ho fanamafisam-piaraha-miasa
Tontosa omaly ny fanomezana solosaina miisa 170 ho an’ny LTC Ampefiloha sy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Lions Club Salanitra Antanananarivo, ny Leo Club Ivolanitra, ny PIF TIC, ny OPTA. Fifanaovantsonia izay natrehan’ireo Tale eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiarana teknika sy ny fiofanana arak’asa sy ny « proviseur » ao amin’ny Lycée Technique Commercial Ampefiloha (LTC).
Fifanarahana izay mifototra amin’ny fanofanana, fanohanana ara-pahalalana ireo mpianatra eo anivon’ny LTC.

Tanjona ny fampiroboroboana ny NTIC (Nouvelle Technologie de l’Information et de la Communication) sy ny fanamafisana ny fahalalan’ireo mpianatra amin’ny lisea teknika eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fahafahana mahaleo tena, ny fandraharahana ary ny tamberinandraikitra eo amin’ny fiaraha-monina. Ankoatra izay, ny fampianarana ireo ankizy mba hanana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny asa. Ary ny fampiroboroboana ny famoronana asa eto amintsika.
Nilaza ny filohan’ny Lions Club Salanitra Antananarivo, Ramatoa Fanja Ranaivoarison fa
« Hahely mba hiparitaka eraky ny LTC manerana ny Madagasikara, indrindra ho an’izay sahirana amin’ny fiofanana manokana momban’ny NTIC izao hetsika izao ».
Toria Dimbiniaina