Last updated on juin 4, 2019
Nifarana ny Zoma 26 aprily lasa teo ny hetsika “Little Garden & Green Energy”. Anisan’ny tena nahaliana ny mpitsidika ny tsenam-boninkazo.
Nahasarika ny olona ny voninkazo
Fahombiazana. Izay no teny azo amintinana ny hetsika “Little Garden & Green Energy” izay nanomboka ny 24 aprily ary tsy nifarana raha tsy ny 26 aprily lasa teo, notontosaina teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.
Mpitsidika manodidina ny 7 000 no nitsidika ny hetsika nandritra ireo telo andro nampirantian’ireo orinasa sy mpisehatra eo amin’ny tontolo maitso ireo vokatra momba ny Angovo azo havaozina, sy ny vokatra toy ny voninkazo sy ny haingon-jaridaina isan-karazany.
Ny voninkazo moa no anisan’ireo vokatra tena nahasarika ny olona tamin’ity hetsika ity.
“Voninkazo no tena nahasarika olona sady be mpividy. Maro ny mpividy no nitondra fiara mihitsy, naka voninkazo be dia be. Afa-po ny 90%-n’ireo mpampiranty”, hoy i Rivo Andriamanantsoa, mpikarakara.
“Little Garden & Green Energy”
Fotoana iray nanomezan-danja ny tontolo maitso eto Madagasikara sy nahafahan’ireo mpisehatra amin’izany sehatra izany: mpamboly voninkazo, mpamboly sy mpitantana toeram-pambolena, mpandrafitra tontolo maitso na “paysagistes”, mpanaingo toerana, nampiseho ny vokatr’izy ireo ny hetsika Little Garden & Green Energy. Niisa 65 kosa ireo trano heva mandray anjara.

Tanjona tamin’ny hetsika ny fanentanana ny olona amin’ny resaka fambolena sy hampiasa ny angovo mazo havaozina, entina hatrany hanamaitso ny tontolo.
Nampiavaka iny andiany fahadimy iny moa ny fisian’ny « Green Energy », izay ahitana orinasa momban’ny angovo azo havaozina. Ity farany izay mifameno amin’ny tontolo maitso hatrany. Ny fanorenana tontolo maitso no tanjona, ka misy ny pôle « énergie renouvelable & eco construction”.
Tsara ny manamarika fa hisy andiany roa ny foara « Little Garden & Green Energy » amin’ity taona ity. hotanterahina amin’ny volana novambra 2019 izao araka izany ny andiany fahaenina.
A.A