Misy fomba fitenenana iray izay avy any avaratra manao hoe : « Lavak’hôron-dambo namboliantsahôgno : raha fa hita nidiragna. »

  • Manana ny ho enti-manana ampilendalendana mpizaha tany (malagasy na vahiny) Madagasikara :
  • morontsiraka sy torapasika midadasika ary miavaka ? ? mirefy 5000km avaratra mianatsimo ;
  • zava-boahary (biby sy zava-maniry) tsy fahita afa-tsy ao aminy ihany koa izy izay anisany misarika ny olona hivahiny ao aminy ;
  • mandrafitra ny harena ara-kolontsaina sy kolotoraly koa ny fananany mponina mivondrona amin’ny foko maro ho iray anaty fahasamihafana mahasarika ny olona ho tonga hanita-pahalalana aty Madagasikara…

Noho izany, tsy tokony ho mena-mitaha amin’ny hafa Madagasikara raha ireo harena mampisongadina azy ireo no tanisaina.
Voafidy ho nosy tsara indrindra aty afrika i Nosy Iranja ? (Nosy Be) tamin’ny taona 2018 (TripAdvisor). Nosy Maorisy sy Seychelles kosa no nanaraka azy. Ary anisan’ny sehatra mampivelatra sy mampiroborobo ny toe-karena sy ny ekonomie malagasy ny fizahantany : firoboroboan’ny sehatra tsy miankina sy famoronan’asa, fidiran’ny « devise étrangère »

fizahantany
Voafidy ho nosy tsara indrindra aty afrika i Nosy Iranja ? (Nosy Be) tamin’ny taona 2018 (TripAdvisor). cc: Pixabay

Ny taona 2008 no nahitana mpizahatany betsaka indrindra? tonga nivahiny 375.000 (source : Ministère de tourisme, de transport et de la météorologie) vokatry ny plan national de développement (MAP) nampiharina tamin’ny izay fotoana izay.

Manana tanjona ? anefa ny ministera misahana ny fizahantany hanatratra ny 500.000 mpizahatany fara-fahatarany amin’ny taona 2023.

  • Tenenina foana anefa hoe sehatra tena marefo sy « instable » ny fizahantany, manerana izao tontolo izao io fa tsy eto Madagasikara irery ihany. Betsaka ny mety ho antony :
  • eo ny « calendrier scolaire » izay mampizara ny fotoana hizahana tany ho roa : haute saison sy basse saison ;
  • eo ny instabilité politique ;
  • eo ny firongatry ny valanaretina samihafa …

Nitsoraka ho 162.687 ny mpizahatany tonga taty Madagasikara tamin’ny taona 2009 taorian’ny « Coup d’Etat » tsy zoviana amin’ny tsika rehetra nandalo teto amin’ny firenena. (Source : Ministère de tourisme, de transport et de la météorologie), isa ambany indrindra nandritra izay folo taona roa nifanesy nanomboka ny taona 2000.

Nahatratra 293.185 ny mpizahatany tonga tamin’ny taona 2016 raha toa ka nitsoraka indray ho 255.460 taorian’ny valanaretina Peste pulmonaine izay nandringana malagasy maro teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2017.

Nitraka anefa ny mpiantsehatra amin’ny fizahantany malagasy izay tarihin’ny Ministera sy Office National du Tourisme ary nijery ny fomba rehetra izay afaka ampiakarana indray ny isa, hanatrarana ny tanjona.
•Nisongadina tamin’izany ny fampiroboroboana ny fizahantany ato anatiny mba tsy hibaribary ny fisian’ny « basse saison ».
•Ao ny fanalebeazina, fanatsara ny fotodrafitrasa ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato sy Fascène (Nosy be) izay heverina ho varavara-misokatra amin’izao tontolo izao ahafahana mampitombo isa ny mpizahatany tonga.
•Maro koa ny hetsika izay nokarakaraina sy hokarakaraina hanatrarana izay tanjona izay : ITM, WAVE Madagascar, AVIADEV Africa …

Nahatratra 1.330.211 ny mpizaha tany tonga tao amin’ny nosy Maorisy ny taona 2019 (Source : INSIDE News). Nefa « optimistes » ny mpiantsehatra malagasy hanatrarana ny isa 500.000 mpizahatany fara-fahatarany amin’ny taona 2023 ary heverina mety hioatra io isa io aza.

Efa nahatratra 348.660 ny isa ny taona 2019 izay heverina ho ambony indrindra taorian’ny 2009. (Source : Ministère de tourisme, de transport et de la météorologie).

parc national sahamalaza
1 504 000 propagules de mangroves ont été plantés au Parc national Sahamalaza. cc: Photos d’archives

Volana Marsa 2020 no eritreretina hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny seranam-piaramanidina Ivato sy Fascène vaovao ahafahana mandray ny sidina maro mifanaraka amin’ny fotodrafitrasa vita ;

Volana Aprily 2020 no eritreretina hanatanterahana ny hetsika ITM hanokafana ny taom-pizahantany eto Madagasikara ;

Volana Septambra 2020 no eritreretina hanatanterahana ny hetsika AVIADEV Africa handraisana ny Zotram-pitaterana anabakabaka mba hampiroboroboaka ny fisokafana anabakabaka (Open Sky) eto Madagasikara.

Mandalo fotoantsarotra anefa izao tontolo izao nohon’ny firongatry ny aretina Covid19-Coronavirus ary voatery nanidy sisintany Madagasikara.
Misedra tanteraka ny valanaretina ny fizahantany malagasy raha mibahana amin’ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka ny tomponandraikitra izay tsy disoana velively.

Raha tsiahivina dia Italia (42% des arrivées), Frantsa (35% des arrivées), ary Sina (4% des arrivées) no mitondra antontan’isa mpizaha tany ambony indrindra eto Madagasikara. (Source : Ministère de tourisme, de transport et de la météorologie).

Ireo firenena ireo anefa no fantatra fa anisan’ny isongadinan’ilay valanaretina indrindra maneran-tany izay tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fihidinan’ny sisintany.

Raha ny tarehimarika azo avy amin’ny pejy Facebook-n’ny « Bienvenu en Corée du Sud » 23 Mars, sy « Reportages – Madagascar », 22 Mars dia :

  • Italia : 59.138 cas confirmés, 5.476 morts ;
  • Frantsa : 16.018 cas confirmés, 1.746 morts ;
  • Sina : 81.532 cas confirmés, 3.264 morts.

Eo ihany ny fampiroboroboana ny fizahantany ato anaty fa efa tafiditra eto amin’ny firenena ny valanaretina ka tsy maintsy fehezina ny fifamoivoizina mba tsy handripaka ny mpiray tanindrazana : raha ny fanambarana nataon’ny filohampirenena Andry N. Rajoelina ny alina 24 Marsa tao amin’ny TVM dia 19 ny fantatra fa mitondra ny valanaretina, tsy mbola misy maty.

  • Inona ny ho avin’ny taom-pizahantany malagasy 2020 ?
  • Atao ahoana ireo mpiasa madinika mivelona amin’ny sehatry ny fizahantany raha tsy ilazana ny mpiantsehatra maro mifanome tànana amin’ny fampiroboroboana io sehatry ny ekonomia io ?
  • Azo atao ve ny mieritreritra ny ahafehezana ny valanaretina mba hanohizana ny taom-pizahantany 2020/ 2021 eto Madagasikara na any ivelany ?
  • Inona ny stratejia tokony ampiharina mba hanarenana ny fizotran’ny fizahantany eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao ?
  • Mety ho voafehy ve ny tsy hiverenann’ny karazana valanaretina toy ny Coronovirus maneran-tany ?

Anita VOLATSARA


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: