Last updated on mars 14, 2019
Fianakaviana 18 no nisitraka ny trano vita avy amin’ny “conteneurs”, omaly, teny La Réunion kely.
Trano vita amin’ny “conteneurs” nomena fianakaviana teny La Réunion kely
Miisa 192 ireo fianakaviana monina eny La Réunion kely. Monina ao anatin’ny trano vita avy amin’ny « sachets » nandritra ny taona maro izy ireo.
Manoloana izany dia nomen’ny Fitondram-panjakana trano vita avy amin’ny « conteneurs » miaraka amin’ny fandriana sy ny kidoro izy ireo.Ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny Primatiora no namolavola ity tetikasa ity. Miisa 5 ireo « conteneurs » natolotry ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy azy ireo omaly. Mbola hitohy izany tetikasa fanavaozana eny an-toerana izany.
Tonga tao amin’ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ny Fanapahan-kevitra izay niarahana tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta tamin’ny fangatahana an’ireto containeurs ireto. Containeurs avy amin’ireo namana, havana, mahalalatanana izay navadika navadika ho trano.

“Ny ezaka ho ataonay dia ny mba hisian’ity « maison conteneurs » ity hipetrahan’ireo tsy manan-kialofana », hoy ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, Naharimamy Lucien Irmah.
Ankoatra izay dia manamboatra trano HLM na Habitat Loyer Modéré ho an’ireo tsy manan-kialofana koa ny Minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’ny ministera mpiahy ny hanafoana ireo matory eny amorondalana sy ny any anaty « tunnel ».
Toria Dimbiniaina