Last updated on mai 1, 2019
Tratra ny tanjona tamin’ny hetsika “Korotam-bolo”, notontosaina teny amin’ny CFM Anosy ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitombo ny fiombonana ary namaly ny hetahetan’ny olona teo amin’ny lafiny ara-bolo tanteraka ny hetsika.
Nihitatra ny fiombonana eo amin’ny lafiny ara-bolo

Fampitomboana ny fiombonana eo amin’ny samy malagasy eo amin’ny lafiny ara-bolo sy ny fampitomboana ny fitiavana mikarakara volo. Izay no tanjon’ny hetsika “Korotam-bolo”, andiany voalohany, izay notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo tao amin’ny CFM Anosy.
Nahaliana ny olona tokoa ny hetsika ary nahatratra hatramin’ny 1500 teo ho eo ireo mpitsidika ny hetsika, nandritra ny roa andro.
“Namaly ny hetahetan’ny olona maro ilay hetsika. Hay maro dia maro ireo olona manana olana ara-bolo, na koa te hizara, na te hahazo fanampiana, te hifampiresaka, saingy tsy nisy firy izany. Ity hetsika ity dia hita fa namaly izay filàna izay”, hoy i Ny Aina Ramiliharilala sy i Jessica Andriantiana, mpikarakara, omaly, rehefa nifarana ny hetsika.

Araka ny fanazavan’i Ny Aina Ramiliharilala hatrany, ny resaka fifampizarana na “partages” no anisan’ny tena niavaka nandritra ny roa andro. Betsaka tokoa ny resadresaka sy adihevitra teraka tao, toy ny nahakasika ny “dreadlocks” izay niarahana tamin’ireo manam-pahaizana manokana momba izany, ny resaka fandokoana volo, izay niarahana tamin’ireo “salons” kalaza, sy ny resaka fikarakarana volo olioly sy volo malama, izay nisiana fijoroana vavolombelona ihany koa.
Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny fizarana nataon’ireo mpanakanto toa an’i Arione Joy sy Nate Tex, momba ny “dreadlocks” sy ny fandokoana volo.

Ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fampirantiana na ny “stands”, nahafa-po ihany koa ny hetsika. Maro ireo liana tamin’ireo tolotra naseho nandritra izany: lokom-bolo, fitaovana fikarakaraka volo, vokatra fikolokoloana volo…

Nanamafy moa ireto mpikarakara fa mbola hisy ny “Korotam-bolo” andiany faharoa. Efa misy koa ny tetikasa homanin’izy ireo amin’ny lafiny ara-bolo ihany, atsy ho atsy.
“Tsara marihina fa ilay “Korotam-bolo” tsy hoe volo mikorontana, fa fampiombonana ny volo rehetra”, hoy i Jessica Andriantiana.