Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Kolontsaina – Tanora mpanakanto vao misandratra no asongadin’ny « La nouvelle main »

Book News 0

Fampirantiana miavaka kely, izay mitondra ny lohateny hoe « La nouvelle main », no atao etsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka amin’izao fotoana izao. Ireo mpanakanto vao misandratra no asongadina mandritra izany.

Omena lanja ireo tanora mana-talenta vao misandratra

Tanora mpanakanto vaovao miisa efatra : Rose Kely Ranarivelo, Fitiavana Ratovo, Andy Rasoloharivony ary i Sanka no mampiseho ny talentany mandritran’ny fampirantiana ara-java-kanto eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Nanomboka ny Sabotsy 3 Septambra izany ka tsy hifarana raha tsy ny 22 Oktobra 2022.

« La nouvelle main » na  «Ilay tanana vaovao » no lohatenin’ity fampirantiana zava-kanto ity. Araka izay lohateny izay dia vokatry ny  tanana mpanakanto vaovao izay vao misandratra sy tanora manan-talenta no haranty mandritra ity hetsika ity. Natokana ho an’ireo tanora manan-talenta izay mbola tsy nampiranty ny sangan’asany moa ity fampirantiana ity.

Zava-kanto maro loko sady miavaka atolotr’ireo tanora

Samy manana ny talentany avy moa izy ireo toa ny mpanao sary sikotra, mpanao hosodoko, mpaka sary, « portraitiste », sy ny sisa. Maneho ny maha izy azy avy ireo sangan’asa ny tanora ireto. « Tsarasaotra » no lohatenin’ny sanganasan’i Rose Kely Ranarivelo izay maneho ny tantaran’ny fianakaviany amin’ny maha metisy azy. Asehony ao antin’ity zava-kanto ity ny kolontsaina frantsay sy malagasy na « franco-malgache ».

« Iray lalana », io kosa no lohateny nosafidian’i Fitiavana Ratovo.

« Manentana ny daholobe mba ho tonga saina manoloana ny krizy izay iainan’ny fiarahamonina ny sangan’asany », araka ny nambaran’i Fitiavana Ratovo.

Zanaka mpanao asa tanana amin’ny alalan’ny vy i Fitiavana ary niaina teo anivon’ny fiarahamonina ka nahatsapa fa samy manana ny maha izy azy ny tsirairay saingy iray ihany no tanjona, araka ny nambarany.

« L’urgence de la foi » kosa ho an’i Andy, sangan’asa izay maneho ny finoana amin’ny alalan’ny sary. Asehony ao anatin’izany ny lanjan’ny finoana eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Ankoatra izay dia manentana ny daholobe hiditra any am-piangonana ity mpanakanto ity mba ahafahana maneho izay finoana izay.

Ho an’i Sanka kosa indray dia maneho ny halalina sy ny herin’ny fijery ny asany. « Ireto maso mijery ahy, mibanjina anao mampitamberina ny lasa, ny vita natao », io no lohatenin’ny zava-kantony. Fotoana voalohany ahafahany mampiseho ny sangan’asany amin’ny maha « portraitiste en dessin » azy moa ity fampirantiana ity.

Fanohanana amin’ny alalan’ny « workshop »

Ankoatra ny fampirantiana ireo sangan’asan’ireto tanora ireto dia manohana azy ireo amin’ny alalan’ny « workshop » ihany koa ny Hakanto Contemporary. Tanjona ny ahafahana mitarika ireto tanora vao misondrotra ireto mba hametraka ny maha izy azy ireo sy ny mampiavaka ny sangan’asany ary ny asa famoronany.

                                                                                                    Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.