Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Kolontsaina – Mandray ny fampirantiana sary mitantara an’i Afrika i Madagasikara

Book News 0

Ny maha vavolombelon’ny fivoarana sy ny fahasamihafana ary ny mahaolona no asehon’ny fampirantiana sary « Esprit Revue Noire, Collection Fondatrice ».

Fampirantiana sary mitantara an’i Afrika

Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, nanomboka ny 26 novambra hatramin’ny 31 martsa 2023 ny fampirantiana sary mitantara an’i Afrika izay mitondra ny lohateny hoe « Esprit Revue Noire, Collection Fondatrice ».

Amin’ny anaran’ireo mpampiranty Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint no hanehoana ireto sarin’ny Revue Noire ireto. Ity gazety boky ity dia maneho sy mandahatra ireo mpanakanto aty Afrika amin’ny lafiny rehetra nanomboka ny taona 1990 hatramin’ny elanelan’ny taona 2000 teo.

« Noho ny fahafantarana ny fomba fiasan’i Hakanto araka ny fampirantiana nataon-dRamily teo aloha, dia tsy nasehonay ny ampahany malagasy amin’ny fanangonanay mba hamolavolana azy any aoriana, ka manome toerana feno ho an’ireo mpanakanto lehibe toa an’i Pierrot Men na i Dany Be. Na izany aza, misy ireo mpialoha lalana malagasy naseho mba hametrahana azy ireo manoloana ny kaontinanta afrikanina. Fomba iray ilazana fa azo inoana fa Malagasy ny mpaka sary afrikanina voalohany, izay tsy fantatra mihitsy”, hoy ny fitantaran’ireo mpampiranty.

Sary voafantina maherin’ny 140 avy amin’ny mpaka sary efa ho 30 avy amin’ny fiaviana samihafa no hita mandritra ny fampirantiana, izay maneho ny maha vavolombelon’ny fivoarana sy ny fahasamihafan’ny sary afrikana.

«Voalohany ho an’i Madagasikara sy i Afrika no nisian’ny fampiratihana toa izao », hoy ny Tale ara-javakanton’ny Hakanto Contemporary, Joël Andrianomeharisoa.

« Ny mampiavaka azy dia ny tena izy. Tsy mitovy amin’ny zava-misy any Toamasina ny zava-misy eto Antananarivo. Toy izany koa, ho an’ny firenena tsirairay, samy manana ny mampiavaka azy maha samihafa azy avokoa. Angamba eto Madagasikara dia anisan’ny fanehoana ara-javakanto voalohany ny sary, izay tsy fahita firy, mifandray amin’ny faharefoan’ny fanabeazana ara-javakanto sy ny fahavitsian’ny mpanakanto hita maso. Ary mbola toy izany ihany ankehitriny », araka ny fanazavan’ireo mpampiranty.

Raha tsiahivina dia noho ny fandraisana andraikitra nataon’ny Revue Noire sy ny fikambanan’ny Kantoko Rina Ralay Ranaivo no nahazoan’i Madagasikara ny tranoheva nandritra ny Biennale d’art contemporain andiany faha-58 tany Venise, tamin’ny taona 2019. Tamin’ity fihaonana voalohany ity no nitsiry ny hevitra hananganana tetikasa fiaraha-miasa hafa.

« Avy amin’ny traikefan’ny Venetiana sy ny firotsahany ho amin’ny zavakanto ankehitriny niaraka tamin’ny fananganana ny Fond Yavarhoussen, dia miforona ny tetikasa Hakanto Contemporary ary manatanteraka ny fampirantiana voalohany miaraka amin’i Joël Andrianomearisoa amin’ny maha tale ara-javakanto azy”, araka ny fanazavana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.