Lanonana roa sosona no notanterahina tao amin’ny Kaominina Alasora ny talata 25 Jona 2019 lasa teo.
Paositra Money

Tontosa ny 25 jona lasa teo ny fanokanana ny biraon’ny Paositra malagasy vaovao ao amin’ny kaominina Alasora. Ity birao ity no voalaza fa anisan’ny tsara sy manara-penitra indrindra amin’ireo biraon’ny Paositra miisa 250 mahery manerana ny Nosy.
Ankoatra ny
Ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina sy ny ao amin’ny
Paositra malagasy dia tonga nitokana ity Birao ity ny minisitry ny Paositra sy
ny fifandraisan-davitra, Ramarolahy Christian.
Vita nandritra io fotoana io ihany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa
eo anivon’ny kaominina Alasora sy ny Paositra malagasy. Fifanarahana momban’ny
fampiasana ny tolotra « Paositra Money », amin’ny fikarakarana ny
volan’ny kaominina.
Azo aloa amin’ny alalan’ny « Paositra Money » avokoa araka izany ireo raharaha rehetra eo anivon’ny kaominina mba hanamorana ny asam-panjakana. Ankoatra ny kaominina dia maro ihany koa ireo tomponandraikitra ny kaominina sy ireo vahoaka ao Alasora resy lahatra amin’ny fampiasana ny tolotra « Paositra Money ». Ity farany izay ‘manamora ny fiainan’ny olona sy mampihena ny tsy fandriam-pahalemana » araka ny nambaran’ny Tale Jeneraly ny Paositra malagasy, Ranarison Richard.
Toria Dimbiniaina