Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Judo In School 2018: naneho ny fahaizany ireo tanora malagasy

Book News 0

Last updated on juillet 15, 2018

Hipoka olona ny tokotaniben’ny Akany Fanabeazana ABC tao Iavoloha, ny alahady lasa teo, nandritra ny fifaninanana Judo In School.

Judo In School 2018: naneho ny fahaizany ireo mpifaninana

Naneho ny fahaizany ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninanana Critérium National Culture and Judo in School (CJIS), ny alahady teo, tao amin’ny Akany Fanabeazana ABC Iavoloha. Tanora 167 no nifandimby niakatra teo amin’ny “tatami” ka naneho ny talentany nandritra ny ady izay maharitra iray minitra sy sasany ka hatramin’ny roa minitra eo ho eo.

Judo In School 2018
Fifandonan’ireo mpifaninana nandritra ny Judo In School.
cc: Book News Madagascar

Tanora mbola mpianatra avokoa ary mpankafy fanatanjahantena no nandray anjara tamin’ity fifaninana ity, avy amina ivon-toerana 10 manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy: Tsiroanomandidy, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Antananarivo. Nampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’ireo mpianatra avy any Fort-Dauphin anjara, araka ny fanazavan’dRandrianarisoa Edmond, mpiandraikitra ny ivon-toerana Akany fanabeazana ABC Iavoloha.[amazon_link asins=’B017XNXROW,B01DNXSW2S,B07BNTSJHD’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’87c9d8e8-79d4-11e8-a4c1-c5a89b00c056′]

“Combat” 64 teo ho eo no notontosaina. Mpitsara avy amin’ny Federasiona nasionalin’ny Judo no nitsara ny lalao, araka ny fanazavan’i Antsa Ranjatoson, anisan’ireo mpikarakara.

=> Vakio eto amin’ny Book News Madagascar ny “Portrait”-an-dRakotomanga Iantsa Ny Aina.

Vokatry ny fifaninanana

Lany ho mpilalao mendrika indrindra ho an’ny sokajy vehivavy i Iantsa Ny Aina Rakotomanga (Ivon-toerana ABC Iavoloha), ary Diary kosa ho an’ny sokajy lehilahy (Ivon-toerana IST-Tana).

Vehivavy 13 no nahazo medaly volamena ary 14 no nahazo medaly volafotsy.

Lehilahy 23 kosa no nahazo medaly volamena ary 29 no nahazo medaly volafotsy.

Lany ho ivon-toerana mendrika indrindra kosa i Toamasina.

Judo In School, andiany faha 12

Judo In School 2018
Jean Lalaina Rakotomalala (avy any ankavia), filoham-boninahitry ny hetsika Judo In School; Randrianarisoa Edmond, mpiandraikitra ny ivon-toerana ABC Iavoloha; Antsa Ranjatoson, mpikambana amin’ny birao mpikarakara.
cc: Book News Madagascar

Andiany faha 12 ity fifaninanana ity. Toy ny isan-taona dia miara-miasa amin’ny sekoly ambony IST – Antananarivo ny Judo In School. Tao anatin’izay 12 taona izay, tsy nitsaha-nivoatra ny Judo In School teto Madagasikara.

“Taninketsan’ny judo mihitsy ary fampisehoana ny judo anaty fitaizana, ara-batana, ara-tsaina ny Judo In School”, hoy hatrany i Randrianarisoa Edmond.

Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara hatrany, maro ireo mpandray anjara amin’ny Judo In School no tafiditra amin’ny federasiona nasionaly, ary mandray anjara amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena.

Tiasy

=> Vakio eto amin’ny Book News Madagascar ny “Portrait”-an-dRakotomanga Iantsa Ny Aina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.