“Jeu-vidéo” vita malagasy tanteraka, teny malagasy, ho an’ny malagasy, no noforonin’ireto mpianatra efa-dahy ireto. Tsara ary mahalasa “accro” mihitsy ilay kilalao. Andramo anie e!

Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/2017/10/04/ces-quatre-lyceens-de-jules-ferry-affole-les-passionnes-de-jeux-videos/

English version avalaible on http://www.booknewsmada.com/category/english/

“Roa”, ilay “jeu-vidéo” vaovao mahatamana

Vao roa andro izay no namoaka ilay rohy ahafahan’ny tsirairay maka ilay “jeu-vidéo” “Roa” amin’ny aterineto ny Infinit Games, tamin’ny alalan’ny pejy Facebook-n’izy ireo, nefa dia efa maro sahady no milaza fa afa-po sy tamana amin’ity kilalao ity. Novokarina tovolahy efatra izay mivondrona ao amin’ny Infinit Games ny kilalao “Roa”. “Baolina kely anankiroa no ezahina tsy hifandona amin’ireo “obstacles” maromaro”, hoy i Ambinintsoa avy ao amin’ny Infinit Games, raha nanazava ny momba ity kilalao ity. Manao izay ahazoana marika betsaka indrindra ilay mpilalao mba ahafahana milalao amin’ny dingana manaraka. Misy dingana 12 ny kilalao: 10 no dingana tsy maintsy lalaovina ary ny roa kosa “bonus”. “Kilalao ho an’ny finday “Androïd” ity kilalao ity. 2D izy ity satria io no kilalao noforoninay voalohany”, hoy hatrany ireto tanora mpamorona ireto. Ny finday “Androïd versión 4.” no miakatra moa no afaka ilalaovana azy ity, ary 30 Mégaoctets eo ho eo ny lanjany. Azo alaina amin’ny alalan’ny rohy http://goo.gl/VCLNGy i “Roa”.

Ambinintsoa, avy amin’ny Infinit Games, nandritra ny fandaharana “Point GG” ny 30 septambra lasa teo.

“Mahavita zavatra ny Malagasy”

Araka ny fanazavan’i Ambinintsoa hatrany, namorona ity kilalao ity izy ireo mba anaporofoana fa “mahavita zavatra ny Malagasy”. Natao tamin’ny teny Malagasy araka izany ity kilalao ity, ary ireo Malagasy no vondrona tilina voalohany amin’izany. Zavatra tian’izy ireo rahateo ny “jeux-vidéos”. Tsy nanaraka fiofanana mihitsy ireto tanora ireto. Mbola mpianatra eny amin’ny Lycée Jules Ferry moa izy ireo. Telo volana no namolavolany io kilalao io.

Infinit Games

Infinit Games dia mpamorona « jeux-vidéos » malagasy. Efa-dahy izy ireo no mandrafitra io vondrona io : Ambinintsoa, Kevin, Jason ary Mihaso. Indro ny horonantsary mampiseho ny zava-bitan’izy ireo, izay nasehony tao amin’ny fandaharana tamin’ny fahitalavitra « Point GG » ny 30 septambra lasa teo : https://video-mxp1-1.xx.fbcdn.net/v/t42.1790-2/22226225_265720970601376_6097689203275988992_n.mp4?efg=eyJ2ZW5jb2RlX3RhZyI6InN2ZV9zZCJ9&_nc_eui2=v1%3AAeFTfUGWlIoZ3KJR2t06fo9JdFmISeGUhuh6k1wcD85oqYDMWf680WO1gKv9AVH8dqRLBySlIhuAQi0gL2Xci4uQ7avCi-lBrEmgn30PQypFZQ&oh=5e0110a7952eebb78406347f04a5a3bc&oe=59D51909

Tiasy

 

 


Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: