Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Ivon-toerana Safidy – Nitombo 15 ireo faritra iasana

Book News 0

Mitombo 15 ireo faritra hiasan’ny  ivon-toerana Safidy mandritra ity fifidianana Solom-bavambahoaka ity. Mahatratra 47 kosa ireo Distrika ahitana  ny rantsamangaikan’ny SAFIDY.

Mitombo isa

Mitombo 15 ny faritra iasan’ny ivon-toerana Safidy na ny Sampana  anaramaso ny fifidianana iombonana ivon’ny demokrasia ifarimbonana amin’izao fifidianana Solombavambahoaka izao. Mahatratra 47 kosa ireo distrika hiandraiketan’ny SAFIDY. Mahatratra 700 ny mpanaramaso ny fifidianana nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo. Faritra 7 kosa no niasana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018. Zava-dehibe  ny fanarahamaso ny fifidianana Ity farany izay antoky ny fifidianana demokratika.

Ankoatra izay dia nisy ny fanamafisana ny fahaiza-manao hoan’ireo mpanaramaso ny fifidianana eo amin’ny fanadihadiana momban’ny fifidianana na ny “analyse électorale”. Fanamby ny andraisan’ny mponina anjara amin’ny fitoriana ny “contentieux électoral“ na ny tranga azo itondrana fitarainana araka ny tranga sy ny fepetra ilaina mba ho azo antoka ny fifidianana.

Manara-maso ny fifidianana mandritra ny fotoana rehetra no asan’ny Manara-maso mialoha, mandritra, ary aorian’ny fifidianana ny Safidy.  

“Manaramaso ny SAFIDY manomboka amin’ny  fandrafetana lalàna. Mitohy ny fanaraha-maso mandritra ny fanoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana. Mijery akaiky ihany koa ity ivo-toerana ity mandritra ny  fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra”,

hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Safidy,  Razanamahefa Stella.
Razanamahefa Stella, tompon’andraikitra eo anivon’ny ivon-toerana Safidy.
cc : Toria Dimbiniaina

Manara-maso ihany koa izy ireo amin’ny fotoanan’ny fitohana kely mialohan’ny andron’ny fandatsaham-bato. Manaramaso ny fizotran’ny fifidianana ihany koa mandritra ny andron’ny fandatsaham-bato. Mitohy hatrany ny fanaramaso aorian’ny fifidianana.

Antso ho an’ny olom-pirenena

Miantso ny olom-pirenena mba hahafantatra izay olona tokony ahavita ny asa sy hifidy am-piheverana ny ivon-toerana SAFIDY. Manentana ny Kandida mba hanara-dalàna ihany koa izy ireo. Ary farany dia miantso ny HCC sy ny CENI ny Safidy mba handray ny andraikiny tandrify azy avy.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.