Last updated on juillet 7, 2020
Tontosa omaly Alatsinainy faha-22 jona 2020 ny fanokanana ny Ivon-toerana Kintana eny Ambatomena. Afaka handray marary 10 izay tratran’ny valan’aretina « coronavirus » ity toeram-pitsaboana ity.
Toeram-pitsaboana afaka mandray ireo tratran’ny valan’aretina« coronavirus »
Nitombo iray ireo toeram-pitsaboana afaka mandray ireo « formes graves » amin’ireo olona tratran’ny valan’aretina « coronavirus » na Covid-19 eto Madagasikara.
Tontosa omaly Alatsinainy faha-22 jona 2020 ny fanokanana ny Ivon-toerana Kintana eny Ambatomena. Amin’izao ady atrehan’ny firenena izao dia ireo mararin’ny covid-19 izay tratran’ny atao hoe fahasarotana na ny « formes graves » ihany aloha no ho raisina.

Miisa 10 ny « appareils respiratoires » ao amin’ity toeram-pitsaboana ity. Mahazaka olona 10 ny Ivon-toerana Kintana. Ny minisiteran’ny Fahasalamana no manao ny fanivanana ireo olona hita fa mampiseho « formes graves » ka tokony halefa eny an-toerana.
Ankoatra izay dia hikarakara ireo marary amin’ny ankapobeny ity Ivon-toerana vaovao ity aorian’izao olana ara-pahasalamana izao. Manana sampan-draharaha hafa toy ny « cancérologie, pédiatre, allergologie, échographies » sy ny fizaham-pahasalamana momba ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa izy.
Marihina fa toeram-pitsaboana fahatelon’ny Fondation Akbaraly eto Madagasikara ity notokanana androany ity tao aorian’ny any Fianarantsoa sy Mahajanga.
Toria Dimbiniaina