Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Antsahamarofoza – Ivotoerana fanofanana ny Tily eto Madagasikara

Book News 0

Last updated on octobre 9, 2018

Natsangana ny ivotoeram-panofanana ny Tily eto Madagasikara. Misokatra ho an’ny daholobe ny toerana.

Fampiofanana

Tily eto madagasikara
Nitsangana ny ivotoerana fampiofanana ny Tily eto Madagasikara (IFTEM).
cc: Book News Madagascar
Tily eto madagasikara
cc: Book News Madagascar

Notokanana omaly teny Antsahamarofoza-Sabotsy, ao amin’ny kaominina Manandrina distrikan’Avaradrano ny ivotoerana fampiofanana ny Tily eto Madagasikara (IFTEM). Fantatra nandritra izany fa mba hananan’ny mpikambana ao amin’ny Tily malagasy ivotoeram-panofanana no tanjon’ny nanangana ity ivotoerana ity.

« Natao hanofanana ny tily sy ny tanora amin’ny sehatra maro ity fotodrafitr’asa ity ary misokatra ho an’ny rehetra ihany koa », hoy Rakotomavo Tsiory, Filohan’ny Taripanofanana ny Tily eto Madagasikara nandritra ny lanonam-panokana ny ivotoerana ity.

Natao hofaina ity farany ity mba ho fampidiram-bola ho an’ny Tily eto Madagasikara ka tsy voafaritra ny antoko afaka mampiasa izany. Namafisiny fa na ny biraom-panjakana na ny mpiasam-panjakana na ny Fiangonana dia afaka mampiasa ity toerana ity avokoa. Ka ny vola voaangona amin’izany kosa dia entina hanampiana sy hampandrosoana ny fikambanana toy ny fampafantarana ny momban’ny Tily eto an-toerana, ny fampahafantarana fiainan’ny fikambanana sy ny « scoutisme » no atao amin’izany. Ao koa ny fampianarana ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-mitarika ary ny fiofanana arak’asa.

Tily eto Madagasikara
Notokanana omaly teny Antsahamarofoza-Sabotsy, ao amin’ny kaominina Manandrina distrikan’Avaradrano ny ivotoerana fampiofanana ny Tily eto Madagasikara.
cc: Book News Madagascar

Malalaka

Anisan’ny tetikasa nivoaka tamin’ny taona 2016 ny fananganana ity ivotoeram-panofanana ity raha ny nambaran’ny filohan’ny Taripanofanana tily eto Madagasikara omaly. Natomboka kosa ny asa ny volana Janoary 2018, ary mitentina 200.000.000 Ariary ny teti-bola nanamboarana izany.

Mivelatra amina velarana 294 metatra tora-droa ny  velarantany nanorenana

Voalaza ihany koa fa misy efitra efatra  izay mahazaka mpiofana miisa 25 sy efitra mahazaka mpiofana miisa 20 ny ivontoerana . Re nandritra ny lanonana fa ny herin’ny Ttari-panofanana Tily eto Madagasikara manokana no nahafahana nanangana ity fotodrafitrasa ity.

Henintsoa Hani

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.