Last updated on septembre 5, 2017
Hanavao ny hiran’ny rainy i Lalatiana. Izay no fampanantenana nataony tamin’ny taon-dasa.
Hanavao ny hiran’ny rainy araka ny nampanatenainy tamin’ny taon-dasa i Lalatiana. Hamoaka rakin-tsary izy araka izany. Raha ny nambarany dia rakin-tsary roa avy hatrany no indray ho atolony amin’ity taona ity. Hiara-hivoaka izany mandritra ny fampisehoana izay hataony ny 8 oktobra izao eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.
Fampisehoana lehibe
Hiakatra an-tsehatra eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina i Lalatiana afaka roa volana. Tsy ho latsa-danja tamin’izay fampisehoana nataony hatramin’izay ny amin’io, na ny teto Madagasikara izany, na ny tany ivelany. Andro iray izay efa nandrasan’ny mpankafy rahateo io fotoana io. Efa ela ihany mantsy no tsy nanatanteraka fampisehoana teto an-tanindrazana i Lalatiana. Ny taona 2000 i Lalatiana no namoaka ny rakin-tsary voalohany izay nitondra ny lohateny « Ianao namako ». Ny taona 2006 kosa no namoahany ilay rakin-tsary faharoa mitondra ny lohateny « Tsotra ihany ». Tsy teto Madagasikara matetika ihany koa izy nandritra ny fotoana maharitra. Taona maro aty aoriana, hamoaka ny rakin-tsary vaovao i Lalatiana.