Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

« Hetsika Hiratra » – Hamafisina ny fahaiza-manao sy ny traikefa eo amin’ny sehatry ny asa

Book News 0

Ny “Hetsika Hiratra” dia natao hisaintsainana sy hifampizarana ny fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny sehatry ny fanabezana, ny fifandraisana, ary ny asa.

“Hetsika Hiratra”:

“Omaniko ny hoaviko, fantatro izay halehako”. Izay no teny filamatra entina anatanterahana ny “Hetsika Hiratra”.

Ho tanterahina ny Alarobia 10 Jolay 2019 eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny “Hetsika Hiratra”.

Ny « Hetsika Asa ho an’i Madagasikara », izay fikambanana tanora manome lanja ny olona,izany hoe ny Malagasy tsirairay no mikarakara azy. Miara-miasa amin’ny fikambanana maro samy hafa izy amin’ny fanatanterahana an’izany.

Natao manokana ho an’ny Ray aman-dreny sy ny tanora manomboka amin’ny kilasy fahatelo no ho miakatra, ny mpanabe, tompon’orinasa sy mpampianatra asa, ary ireo rehetra mpiantsehatra sy mpampiasa ny tambazotra sosialy toy ny “Facebook” io hetsika io.

Fandaharam-potoana

hetsika hiratra
Rahampitso no hotontosaina ny Hetsika Hiratra.

Mizara 3 miavaka tsara ny programa fa mifandray avokoa. Mahazo tonga amin’ny fotoana rehetra na izay tianao ianao. Fizarana voalohany amin’ny, 9:00 – 11:00: resaka momba ny fomba hampiasana ny tambazotra sosialy Facebook hitondra soa ho an’ny fiainana sy ny fiaraha-monina.

Fizarana faharoa, amin’ny11:15 – 1:00: toro-marika hanampiana ny tanora ahita Vatsim-pianarana hianarana eto Madagasikara sy any ivelany.

Fizarana fahatelo , amin’ny 1:15 – 3:00: tari-dalana ho an’ny tanora rehetra indrindra fa ireo manomboka amin’ny kilasy fahatelo, hifidy ny asa sy ny lalam-piofanana mifanaraka amin’izany.

Amin’ny 3:15 – 5:00, fitsidihana tranoheva na koa latabatra hiresahana mivantana amin’ny ray aman-dreny sy tanora momba ireo rehetra ireo sy ny tambazotra sosialy, vatsim-pianarana, ary fianarana sy asa.

Marihina fa maimaimpoana ny hetsika ary raisina amin’ny fo ravoravo tokoa ny fandraisan’anjara ara-bola hatolotrao amin’io fotoana io ho fanampiana ny fanefana ny fandaniana rehetra natao hikarakarana ity hetsika ity.

Asa ho an’i Madagasikara

Ny “Asa ho an’i Madagasikara” dia hetsika nasionaly hivondronan’ireo rehetra te hampandroso an’i Madagasikara. Manana soatoavina ihany koa ity fikambanana ity dia ny “Fanoloran-tena – fand­raisana andraikitra – fampandr­osoana”. Vina ho an’ny Asa ho an’I Madagasikara ny Malagasy mahefa, mifanohana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.