Last updated on août 5, 2018
Tsy afa misaraka amin’ny fiainana an-davananandro ny herinaratra. Mandringa ny zavatra rehetra raha tsy misy ny herinaratra. Ity farany izay ilaina amin’ny sehatra rehetra toa ny fiainana an-tokantrano, eny amin’ny orinasa, eny amin’ny Tobim-pahasalamana, eo anivon’ny Fanjakana…

cc: Book News Madagascar
Manoloana izany dia nanohana sy nandray anjara tamin’ny Foara momban’ny trano sy ny tany (Foire de l’immobilier) ny GDPEM (Groupement des Professionnels de l’Energie à Madagascar).
Misy ny tolotra manokana omen’ny GDPEM araka ny nambaran’ny mpanorina ity vondrana ity, Andry Ramaroson. Anisan’izany ny “fampahafantarana ireo herinaratra sy ny jiro azo avy amin’ny masoandro. Afaka misitraka azy avokoa na olontsotra na orinasa na Fanjakana. Hita ao avokoa manombaka ny 1kilowatt-100Megawatts ».
« Mampiavaka ny GDPEM ihany koa ny fanaovana « étude » tsy andoavam-bola. Feno manam-pahaizana sy orinasa afaka manampy ny rehetra eo amin’ny sehatry ny angovo ny GDPEM », hoy izy.
Toria Dimbiniaina