Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Herinandron’ny angovo – Hisy ny vahaolana maharitra amin’ny famokarana herinaratra

Book News 0


Tontosa soa aman-tsara ny herinandron’ny angovo notanterahina teny amin’ny Hotel Panorama ny 18 Febroary ka hatramin’ny 23 Febroary 2019 teo.

Vahaolana maharitra ho an’ny famokarana herinaratra

Mpisehatra maro eo amin’ny sehatra ny angovo no nandray anjara nijery ny vahaolana momban’ny herinaratra eto amintsika nandritra ny herinandron’ny angovo notanterahina teny amin’ny Hotel Panorama ny 18 Febroary ka hatramin’ny 23 Febroary 2019 teo. Niompana bebe kokoa tamin’ny vahaolana ho an’ny Jirama ny dinika tamin’izany.

Misedra olana eo amin’ny fitantanana sy ny lafiny ara-bola ny orinasa mpamokatra Jirama amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ny fatapatapahan’ny jiro (délestage) matetika tato ato, indrindra amin’ireo tanan-dehibe miisa 60 eto Madagasikara ka tafiditra ao anatin’izany i Antananarivo.

Nojerena nandritra ny hetsika araka izany ireo vahaolana maharitra hoan’ny herinaratra toa ny fampitomboana ho 50% n’ny Malagasy manjifa herinaratra amin’ny vidiny mirary.

herinandron'ny angovo
Notanterahina teny amin’ny Hotel Panorama ny herinandron’ny angovo. cc: Toria Dimbiniaina

Eo ihany koa ny fampitomboana avo roa heny ny fahafahana mamokatra herinaratra ao anatin’ny 5 taona, izany hoe mihoatra ny 800MW amin’ny taona 2023.

Miisa dimy ireo asa ho atao hanatanterahana ireo tanjona toa ny fanafoanana ny « delestazy » sy ny fifehezana ny jiro. Hampitomboana ny famokarana herinaratra. Hojerena ny fiantraikan’ny fampiroboroboana ny herinaratra eo amin’ny tontolo iainana. Hamolavola sy hanatanteraka ny drafitra nasionaly momban’ny angovo ihany koa ny Fanjakana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.