Last updated on janvier 9, 2020
Hanamarika ny faha 60 taona nihirany eny amin’ny CCI Ivato i Henri Ratsimbazafy ny Alahady izao.
Hiavaka ny fankalazana ny faha 60 taona nihiran’i Henri Ratsimbazafy

Mpanakanto manana ny maha izy azy i Henri Ratsimbazafy. Maro ireo zava-bita sy kanto natolotry ity mpanakanto isany zokiny indrindra ity na teto an-toerana na tany ivelany. Manamarika ny faha 60 taona nanolorana ny kanto izy amin’izao.
Tsy handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany fa ho zarainy amin’ny mpankafy azy ny Alahady izao eny amin’ny CCI Ivato manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Tantaram-piainako » no lohahevitra entiny mankalaza izany jaobily izany. Ho tanterahina mandritra ny telo ora farafahakeliny io tantaram-piainany io.
Manodidina ny 42 amin’ireo hira 250 noforonony no hokaloiny mandritra io fotoana io. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny hira ataony ireo hira nahafantaran’ny maro azy toa ny « Taiza? », « Fiaran-dalam-by », « Lamba Blanc », sns.
Hira vaovao
Hikalo ireo hirany vaovao mbola tsy henon’olona ihany koa i Henry Ratsimbazafy mandritra io fankalazana io.
Ankoatra izay dia fantatra fa tsy hihira hiaraka aminy i Voahirana mandritra io fotoan-dehibe io. Tanora vao misondrotra novolavolaina mba handimby azy rahatrizay no hanotrona azy amin’io
Mampanantena kosa ny Salohy Event izay mpikarakara lanonana efa matihanina fa ho raitra sy hiavaka ny haingon-tsehatra amin’io.
Marihina fa ny ISPM sy ny Gold no mpanohana ity hetsika lehibe ity.
Toria Dimbiniaina