Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Harem-pirenena – Mitaky fitantanana ara-drariny ny vondron’ny Fiarahamonim-pirenena

Book News 0

Last updated on juillet 15, 2019

Mila mandrafitra fomba fijery lavitra hitantanana ny harem-pirenena ny Fanjakana. Mitaky ny fitantanana ara-drariny ny harena ara-boajanahary ny vondron’ny Fiarahamonim-pirenena.

Mitaky fitantanana ara-drariny

Manentana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampihatra ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana tomponandraikitra na ny « mine responsable » araka ny fifampitondrana sy ny fifampidiniana eo aminy sy ny Fitondram-panjakana ny vondron’ny Fiarahamonim-pirenena  mpiaro ny harem-pirenena.

Mitaky ny  fanitsiana ny lalàna mba hisian’ny fitrandrahana ara-drariny ka hisitrahan’ny Malagasy ny vokatry ny fitrandrahana izy ireo. Zava-dehibe ihany koa ny fiarahamidinika miaraka amin’ny Fiarahamonim-pirenena sy ny fanatsarana ny lalàna. Eo ihany koa ny famoahana indray ny fahazoan-dalana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany.

Ho an’ny ministrin’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra dia ilaina ny fampiharana ny tombam’ezaka stratejika ho fandravonana sy hiarovana ny olana mety hitranga ateraky ny fitrandrahana. Ny Vina ho an’ny Fampandrosoana sy ny fitrandrahana dia tokony hifandraika akaiky amin’io tomban’ezaka io. Ary tokony hisy fiarahamiasa eo amin’ny Ministera samihafa toa ny Tontolo Iainana, ny Fanajariana ny Tany, ny Harena an-kibon’ny Tany.

“Ampy ny lesoka amin’ny fitrandrahana roa toa an’ny QMM sy ny Ambatovy”

araka ny nambaran’ireo vondron’ny firaisamonim-pirenena mpiaro ny harem-pirenena.

Ny fitrandrahana goavana dia mitaky ny fiomanana mialoha ny Fitantanana mandritra ny Fitrandrahana, ary ny vina aorian’ny Fitrandrahana, hoy hatrany izy ireo.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.