Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Hanomboka rahampitso ny Festival Sômantsika

Book News 0

Last updated on septembre 27, 2017

Hetsika iray mbola tsy lefy laza mandraka ankehitriny ny Festival Sômantsika. Hotanterahina any Antsiranana izany amin’ity taona ity

Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/2017/09/22/le-festival-somantsika-commence-demain/


« Fomban-drazako, kolontsaiko, hajaiko, hindesiko hampandroso ny tananako », io no teny filamatra mandritra ny Festival Sômantsika amin’ity taona ity. Hetsika ara-piarahamonina sy toe-karena, ara-koltoraly ary fanabeazana ny Festival Sômantsika, izay hotontosaina any Antsiranana manomboka ny 23 Septambra izao. Ny kaominina renivohitr’ i Diégo sy ny « Association des employés de la Commune » no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ity Festival ity. Hisy ny Diabe ho fankalazana ny hetsika. Eo ihany koa ny dihy amin’ny endriny maro izay hanasongadinana ny dihy nentim-paharazana. Ankoatr’izay, hisy ny fampiratiana, ny ady hevitra ary ny fifanankalozana eo amin’ny kolontsaina mampiavaka ny faritra Andrefan’ny nosy. Anisan’ny hisongadina amin’ity indray mitoraka ity ny fifaninanana kabary. Torak’izany koa ny Morengy, izay fomba iray fanao isaky ny hetsika toy izao. Hiavaka tokoa araka izany ny hetsika amin’ity taona ity. Ny 1 Oktobra 2017 moa vao hifarana ny Festival Sômantsika.

http://www.booknewsmada.com/2017/09/22/le-festival-somantsika-commence-demain/

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :