Hotanterahina ny 16 novambra 2017 izao ny andiany faha-19 amin’ny « Salon de l’Habitat » sy ny andiany fahatelo amin’ny « Biennale des Arts de l’Océan Indien ».
Miverina ny Salon de l’Habitat
Hotanterahina ny 16 novambra 2017 ho avy izao any amin’ny Forello Expo Tanjombato ny « Salon de l’Habitat » sy ny « Biennale des Arts de l’Océan Indien« , izay nihemotra noho ny antony ara-pahasalamana. Mpandray anjara 120 no andrasana amin’io hetsika io ary mihoatra ny 100 ireo orinasa lehibe vahiny misehatra amin’ny tsenan’ny trano ho avy ao. Araka ny fanamarihan’ny mpikarakara, ireo fanasana 45 000 nozaraina maimaimpoana dia mbola azo ampiasaina tsara amin’io andro io. Araka ny fanazavan’ny Première Ligne hatrany, hisy ihany koa ny hetsika iraisam-pirenena lehibe ho fampahafantarana ny tantaran’ny Nosy sy ny mponina ao aminy ary ny kolontsaina malagasy ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra 2017 izao. Eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahina izany ary maimaimpoana ny fitsidihana.