“Efa tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Noely avokoa ny fianarana sy ny fiangonana isan-karazany. Samy manao izay ho afany ny rehetra hanamarihana ity andro lehibe ity. Ho an’ny Odam, hisy ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo.”

Fampisehoana ho an’ny Noely
Niorina tamin’ny 19 martsa 1973 ny antokom-pihiran’ny Ekar Saint Joseph Mahamasina: Onjan-Drafitra Antoko Mpihira na Odam. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-45 taonany ny tarika, izay ahitana mpikambana miisa 30. Manoloana izany, efa miomana amin’ny fanatontosana ny fampisehoana ho an’ny Noely 2017 na ny “Concert de Noël 2017” izy ireo. Nisy araka izany ny hetsika fitadiavam-bola entina hanohanana ny fampisehoana izay natao ny sabotsy 11 novambra teo. Ny hira nanamarika ny taona 1990-2000 izay hira faheno amin’ny haino aman-jery toy ny hiran-dry Tempo gaigy, Tif à Tif, Spice girls, sns, no nokaloina nandritra izany. Nanamarika ny hetsika ihany koa ny vahiny toa an’i Nannie sy Gothlieb. Marihina fa ny 23 desambra izao no hanatanterahan’ny ODAM ny fampisehoana ho an’ny Noely.