Last updated on février 13, 2018
« Hasiniko ny fombako, hiandrianan’ny taniko ». Io no teny filamatry ny Taombaovao Malagasy, izay hatao amin’ny 17-18-19 Martsa 2018 izao. Hetsika nentin’ny Trano Kolotoraly Malagasy hankalazana ny taombaovao malagasy isantaona ao anatin’ny fararano (mifanandrify amin’ny Martsa na aprily gregoriana).

Efa taona maro no namoronana io anarana Taombaovao Malagasy io. Misy kosa anefa ireo hafa mampiasa ity anarana noforonin’ny Trano Kolotoraly Malagasy ity amin’izao. Hararaotin’ny sasany ampiasaina amin’ny fety hafa ny anarana Taombaovao Malagasy. Manoloana izany dia nanamafy ny Komitin’ny Taombaovao Malagasy fa mety ny natao matoa misy maka tahaka.