Handalo eto Madagasikara i Mario Casas

Mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa handalo eto Madagasikara i Mario Casas Sierra, ilay mpilalao sarimihetsika espaniola izay nilalao an’i Hugo amin’ilay sarimihetsika malaza Twilight Love. Araka ny loharano, ao Nosy Be no hivantanany amin’ny volana Desambra, ary haharitra telo andro eo ny fitsidihany ny Nosy. Mbola tsy fantatra ny anton’it fitsidihana ity, fa dia nambarany tao anaty resadresaka nataony tamin ny fahita lavitra vahiny iray tao Europe io vaovao io. Tafiditra ao anatin ny fitetezana Firenena maro tsidihiny i Madagasikara.

0 comments on “Handalo eto Madagasikara i Mario CasasAdd yours →

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *