Last updated on novembre 27, 2019
Manome tolotra mifandraika amin’ny filàn’ny mpianatra ny oniversite any ivelany izay nandray anjara tamin’ny hetsika “Global Expo Special Bacc”, anisan’izany ny oniversite avy any Afrika Atsimo sy Malaisie.
Mandray anjara ny Oniversote avy any Afrika Atsimo sy Malaisie
Notanterahina ny 14 ka hatramin’ny 15 Novambra 2019 teo teny Anosy ny « Global Expo Spécial Bacc ». Maro ireo oniversite avy any ivelany nandray anjara tamin’ity hetsika nokarakarain’ny Fan Education ity toa ny avy any Etats-Unis, Canada, Autriche, Allemagne, Suisse Maurice. Fa teo ihany koa ny oniversite avy any Afrika Atsimo sy Malaisie.
« Natao ho an’ny mpianatra afaka bakalorea ny hetsika Global Expo Spécial Bacc »
hoy ny tomponandraikitra ny Serasera eo anivon’ny Fan Education, Andrianina Mialy.
Anisan’ny nampiavaka an’ity andiany ity ny fisian’ny oniversite sy ny ivom-piofanana avy any Afrika Atsimo sy Malaisie.
“Lalam-piofanana marobe no hita ao amin’ny hetsika Global expo special Bac. Ny “Medecine” ihany no tsy misy”,
hoy i Andrianina Mialy.
« Tsy manome vatsim-pianarana ireo oniversite miara-miasa aminay kanefa manana tolotra mifanaraka amin’ny fahefan’ny tsirairay sy ny firenena ho aleha. Misy ireo oniversite no tsy mandoa saram-pianarana na misy fihenam-bidy”, hoy izy.
hoy i Andrianina Mialy.
Marihina fa manampy ny mpianatra te handranto fianarana any ivelany amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ny fandaminana ny dia sy ny fitadiavana ny toerana hivantanana ny Fan Education.
Toria Dimbiniaina