Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Galana Madagascar- Hetsika fizarana « Gel Hydroalcoolique » maimaim-poana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka

Book News 0

Last updated on juillet 7, 2020

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny orinasa GALANA Madagascar hiarovana ny mpitatitra sy ireo mpandeha! Ny faha 18 sy 31 May 2020 dia hisitraka ny fizarana « gel hydroalcoolique » maimaim-poana ireo fira fitateram-bahoaka rehetra manjifa eny amin’ny tobin-tsolika GALANA. Izany no natao mba ho fiarovana ny mpamily sy ny mpandeha ary ho fiaraha-mientana hatrany amin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19.

Fizarana « gel » fanasana tànana

Manoloana ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19 eto Madagasikara dia nanapa-kevitra ny hanohy ny hetsika efa natombony ny orinasa GALANA Madagascar. Tsy inona izany fa ny fizarana maimaim-poana ny « gel hydroalcoolique » ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka rehetra.

Izany no natao mba ho fiarovana ny mpandeha, ny mpamily ary koa ny « receveurs » amin’ny valan’aretina Covid-19. Efa nanomboka ny 18 May izany fizarana maimaim-poana izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 May ho avy izao.

galana madagascar
Ny faha 18 sy 31 May 2020 dia hisitraka ny fizarana « gel hydroalcoolique » maimaim-poana ireo fira fitateram-bahoaka rehetra manjifa eny amin’ny tobin-tsolika Galana. cc: Galana

Marihina anefa fa izay fiara fitateram-bahoaka maka solika eny amin’ny tobin-tsolika GALANA rehetra ihany no afaka hisitraka izany “gel hydroalcoolique” natao hanasana ny tànan’ny mpamily, ny “receveur” ary indrindra ny mpandeha izany.

Ny hetsika famendrahana maimaim-poana

Tsy voalohany izao no nanatanteraka hetsika fiaraha-mientana hisorohana ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19 ny GALANA. Nanomboka ny 4 May lasa teo ihany koa dia nanolotra « désinfection express » na fanaovana famendrahana maimaim-poana ny fiara rehetra (fiara fitateram-bahoaka, fiaran’olon-tsotra, moto, sns) izay manjifa ny solika tao amin’ny GALANA izy ireo.

Hita eny amin’ny tobin-tsolika eto Madagasikara (Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina) isan’andro manomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 10 ora io famendrahana maimaim-poana io. Ary tsara marihina ihany koa fa nohon’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny orinasa Agrivet sy ny vokatra Virocid no nahafahan’izy ireo nanatontosa ny hetsika rehetra efa natombony hatreto.

Antigone

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :