Last updated on novembre 27, 2019
Mitokona ny mpiasan’ny FOFIFA noho ny tsy fahaloavan’ny karaman’izy ireo efa ho 7 volana izao.
Mitokona
Maherin’ny 200 ireo mpiasa manerana ny Nosy nanao fitokonam-be eny amin’ny FOFIFA (Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra) Andraisoro nanomboka ny talata teo. Anton’izany ny tsy fahaloavan’ny karaman’izy ireo efa ho 7 volana izao.
« Karama 7 volana no mbola tsy tonga eo am-pelatanana mandraka ankehitriny. Tamin’ny volana jona lasa teo no nandray karama farany, izay karama volana martsa », hoy ireo mpiasa.
Misedra olana goavana araka izany ireo mpiasa. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainany andavanandro izao tsy fahazoana karama 7 volana izao toa ny tsy fahefana hifantrano, saran-jiro sy rano, saram-pianaran’ny mpianatra, ary nisy tamin’ny zanak’ireo mpiasa mihitsy no tsy afaka nanao fanadinam-pajankana sy ny fanadinana fifindran-kilasy, eo ihany koa ny trosa any amin’ny banky.

Hanohitra hatramin’ny farany
Nilaza ireo mpiasa fa « tsy hanaiky intsony raha tsy aloan’ny Fanjakana mitambatra avokoa ny karama 7 volana tsy voaray. Hitohy hatrany ny fitokanana mandrapahatongan’io fotoana handraisana ny karama rehetra io ».
Marihina fa mihodina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny FOFIFA. Misy araka izany ireo mpiasa miankina amin’ny famatsiam-bola ny fandoavana ny karamany. Misy ihany koa anefa ireo mandray karama mivantana amin’ny Fanjakana toa an’ireo mpikaroka eo ambany fiahian’ny ny Ministera mpiahy.
Toria Dimbiniaina