Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Foara Voatra andiany fahenina – Hanasongadina ny Vita Malagasy

Book News 0

Tsy hisy afa-tsy vokatra Vita Malagasy mandritra ny foara Voatra andiany Faha 6, izay hotontosaina ao amin’ny zaridainan’Anosy.

Omena laka ny Vita malagasy

Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 26 Oktobra 2019 eny amin’ny zaridainan’Anosy ny foara Voatraandiany fahenina. Orinasa madinika sy salantsalany manodidina ny 50 no handray anjara amin’izany.

Tanjona ny hampahafantarina ny fisian’ny orinasa malagasy mamokatra zavatra tsara. Hampahafantarina­ ihany koa ny vahoaka fa tsy voatery hajifa ny any ivelany fa efa misy eto Madagasikara.

Vokatra vita gasy efa voahodina avokoa no haseho mandritra io fotoana io. Sehatra maro toa ny asa tanana, sakafo, fambolena, famokarana « huille essentiel » no hita ao. Anisan’ny voizina mandritra io fotoana io ny fanjifana ny vita malagasy.

Mampiavaka ny vokatra hampirantiana ao koa ny tsy fisian’ny simika fa tena natoraly sy ara-pahasalamana.

Ankoatra izay dia hisy koa fampiofanana momban’ny « fenitra » izay hiarahana miasa amin’ny BNM (Bureau des normes de Madagascar) sy ny Ministera mpiahy. Tanjona ny mamokatra ahafahan’ny mpandraharaha Malagasy manome vokatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ara-pahasalamana mba afaka ahafahany miatrika ny tsena eto an-toerana sy ny tsena iraisam-pirenena.

foara voatra
Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, niresahana momba ny Foara Voatra, tao amin’ny CCIA Antaninarenina. cc: Toria Dimbiniaina

Tombontsoa azon’ny mpandraharaha Malagasy

Sehatra iray ahafahana mitady tsena ny Voatra. Fotoana ahafahana mitady toana na avy amin’ny Fanjakana na ny mpanjifa ihany koa. Raha tsiahivina dia efa maro ireo mpandraharaha Malagasy nahita vokatsoa nandritra ireo andiany teo aloha toy ny fahazoana mpiaramiombonantoka mpanjifa vaovao.

 Anisann’y mitaiza ny mpandraharaha handray anjara amin’ny zavatra hafa sy hampafantatra ny vokany ihany koa ny fisian’ny fampirantihana Voatra.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.