Last updated on août 5, 2018
Fahombiazana ny Foara momban’ny trano sy ny tany (Foire de l’immobilier) teny amin’ny Parvis Analakely ny 03-05 Aogositra 2018 teo.
Maro ireo olona tonga namaly ny antso. Nahatratra 36 ireo trano eva nandray anjara tamin’ny Foara momban’ny trano sy ny tany (Foire de l’immobilier) teny an-toerana, ny 03 ka hatramin’ny 5 aogositra lasa teo.

cc: Book News Madagascar
Hita tao avokoa ireo sehatra rehetra momban’ny trano sy ny tany toa ny mpivarotra tany, mpivarotra trano, ny mpivarotra kojakoja momban’ny trano, ny Banky… Nampiavaka ny foara tamin’ity taona ity ny fisian’ny trano evan’ny Kaominina Ambonivohitra Antananarivo. Ity farany izay manampy ny olona amin’ny fanamorana sy ny fanamboarana ny fahazoan-dalana amin’ny fanorenana trano (permis de conduire).
Manampy ny olona amin’ny fampindraman-bola ahafahana mividy trano na tany sy manorina trano ny Banky nandray anjara tamin’ity foara ity.
« Misy ihany koa ny trano eva manokana izay ho an’ny olon-tsotra. Afaka nametraka fampahafantarana trano na tany amidy izy ireo nandritra ity foara ity », hoy i Andry Ramananarivo, mpikarakara ny foara momban’ny trano sy ny tany.