Fahaleovan-tena ara-toe-karena sy famoronana asa, io no anisan’ny tanjona kendren’ity tetikasa ho fanohanana ny fampiofanana sy ny fanatsarana ny fahaiza-miasan’ny mpiasa, izay hiarahan’ny FMFP sy ny QMM miasa mandritra roa taona.
Fanamafisana sy fanatsarana ny fahaiza-miasa
Notanterahina ny Alatsinainy 20 Jona 2022 teny amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano ny fanaovan-tsonian’ny fiarahamiasan’ny Famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP)sy ny QIT Madagascar Minerals (QMM) – Rio Tinto mahakasika ny tetik’asa ho fanohanana ny fampiofanana sy ny fanatsarana ny fahaiza-miasan’ny mpiasa.
Natao izany ho fanatsarana ny vokatra eo amin’ny fampiakarana ny lentan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa sy ireo mpandraharaha mahaleo tena any amin’ny faritra Anosy. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny FMFP dia mbola osa ary tsy ampy ny kolontsainam-piofanana izay mahatonga ny tsy fanarahan-dalan’ny orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina, indrindra any amin’ny faritra Anosy.
Mitentina 1 lavitrisa sy 800 tapitrisa ny vola natokana hanatanterahana ny tetikasa ary handrandraina amin’izany ny hanatanterahana ireto vokatra ireto : famoronan-kasa mivantana miisa 50, fampihofanana tanora miisa 200 eo amin’ny sehatry ny indostria, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fikirakirana ny haitao vaovao. Fanararaotra lehibe araka izany no ho azon’ireo mpisitraka ny tetikasa, noho izy mitondra mankany amin’ny fampandrosaona mahomby ho an’ireo mponina any an-toerana ka maniry ny hiditra na hiverina indray eo amin’ny sehatry ny asa.
«Maherin’ny 80%-n’ireo orinasa any an-toerana no afaka hampitombo ny fahaiza-miasan’ireo mpiasany na amin’ny fifehezana ny sehatr’asa misy azy ireo na main’ny fampiasana ireo fitaovana ilaina amin’izany. »
Fandrisihana ireo orinasa hiroso amin’ny ara-dalàna
Misy hatrany ny ezaka ataon’ny FMFP hanampiana ireo mponina mba hanokafany sehatr’asa maharitra, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireo. Etsy andaniny, mandrisika ireo orinasa izay efa mijoro ara-dalana izy mba handoa ny latsakemboka sosialy amin’ny fampiofanana arak’asa ampanaoviny. Ny fandrotsahana io latsakemboka io no isany dingana takiana raha hisitraka ny famatsiam-bola amin’ny fampiofanana ny mpiasa ny orinasa iray.
« Mila hetsika amin’ny fampiofanana ny mpiasa ny firenena, indrindra any amin’ireo toerana manana fiharin-karena sy fahafahana handroso kokoa hatrany. Ary ohatra tsara azo alain-tahaka ny tetik’asa toy izao amin’ny fikendrena ny fampandrosoana, ka fanirian’ny FMFP ny hanaparitaka azy manerana ny Nosy »