Last updated on septembre 30, 2019
Maro ireo lalana tapaka eto Antanananarivo mandritra ny andro vitsivitsy hitsidihan’ny Papa François eto amintsika.
Lalana tapaka
Ora sisa no isaina dia higadona eto Madagasikara ny Papa François. Ho voaelingelina araka izany ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra mandritra ny fitsidihan’ny Filohan’ny Fiangonana Katolika maneran-tany ny zoma faha 6 Septambra ka hatramin’ny talata 10 Septambra izao. Maro ireo lalana ho tapaka, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny Prefektioran’ny Antanananarivo ny Talata teo.
« Amin’ny maha Filoham-panjakana ny Papa François dia manan-jo feno hisitraka ny zon’ny Filoham-panjakana rehetra araka ny voalazan’ny lalàna iraisam-pirenena izy. Noho izany, horaisina ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany mba tsy hisy fanohintohinana ny fitsidihana hataon’io olona manan-kaja ambony io », hoy ny Talen’ny Serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanga Rinah.
Voakasika amin’io fahatapahan-dalana io avokoa ny eny Ivato, Tsarasaotra, Ivandry, Analakely, Fort-Duchesne, Ampasanimalo, Ankadimbahoaka, Iavoloha, Ambohimangakely, Andohalo, Analamahitsy, Androhibe, Anosy, Ankorondrano.
Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa ho tapaka ny lalana rehetra handalovan’ny Papa François. Miverina misokatra kosa ny lalana amin’ireo faritra ireo aorian’ny fandalovan’ny Papa amin’ilay toerana.
Hisy ny fepetra ho raisina mialoha mba tsy hisian’ny ho fahasorenana noho ireo fahatapahan’ny lalana ireo.
« Raha tokony hiantsena ianao dia vitao mialoha avokoa izany mba tsy hampiasa fiara izahay raha mbola azo atao mandritra ireo andro vitsy ireo », hoy ny kaomandin’ny Zandarimaria, ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.
Toria Dimbiniaina