Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fitokonana : sekoly maro no mikatona

Book News 0

Mihitatra any amin’ny lafin’ny fanabeazana ny savorovoro politika misy eto Madagasikara. Toeram-pampianarana maro miankina amin’ny fanjakana no nikatona vokatr’izany eto an-drenivohitra.

Mikatona noho ny fitokonana ny sekolim-panjakana

Rehefa nitokona nanomboka ny 23 aprily lasa teo ny ireo solombavambahoaka miaraka amina sendikà maro isan-karazany sy olom-pirenena, dia nirotsaka tamin’izany ihany koa ireo mpampianatra eto an-drenivohitra sy ireo mpianatra amina sekolim-panjakana maro. Nitsahatra araka izany fampianarana teny amin’ny toeram-pampianarana sasany, nanomboka ny herinandro lasa teo. Anisan’izany ny lisea Nanisana sy ny Lisea Moderina Ampefiloha.

fitokonana
« Lisea Nanisana mitokona », izay no soratra eo amin’ny lamba izay nolanjain’ny mpianatry ny Lisea Nanisana, ny talata lasa teo.
cc: Mpiserasera ao amin’ny Facebook

Manamafy ny fitakiana ny fialàn’ny Filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimapianina, miaraka amin’ireo solombavambahoaka ny fiovana ireo mpampianatra ka tsy hiverina handray ny asany raha tsy mivaly ny fitakiana.

Manahy ny hoaviny ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana manoloana izany, satria mety tsy ho tratra ny tetiandrom-pampianarana.

Nanambara anefa ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa “ny zoma izao dia tsy maintsy miverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra manerana ny nosy”.

Andry iankinanan’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana. Tandindomin–doza hatrany anefa ity sehatra iray ity rehefa misy ny savorovoro na ara-politika na ara-tsosialy. Savorovoro izay miatraika amin’ny fari-pahaizan’ireo zanaka malagasy.

Ony Ranaivoson

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.