fitafi moramanga

Fitafi Moramanga – Nizara fanomezana ho an’ny tokantrano sahirana 26

Ankizy sahirana sy tokantrano sahirana 26 no nisitraka ny fanomezana avy amin’ny fikambanana Fitafi Moramanga ny Talata 22 Desambra 2020.

Fizarana fanomezana nataon’ny Fitafi Moramanga

Taorian’ny hetsika sosialy nataon’ny Fitafi (FIraisankinan’ny Tanora Andrin’ny FIrenena) tao Antanimenakely Ampitatafika ny Sabotsy 12 desambra 2020, dia anjaran’ny tao Moramanga indray no nanohy ny asa soa. Nisy ny fizarana vary 1kg, siramamy 1kg ary menaka 1 litatra ho an’ireo tokantrano sahirana 26 ao amin’ny Fokontany Besimpona Kaominina Moramanga, androany, Talata 22 Desambra 2020. Hetsika niaraha-miasa amin’ny Masoivohon’i Suisse eto Madagasikara.

fitafi moramanga
Ireo zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro no nozarain’ny fikambanana. cc: Sary nomena
fitafi moramanga
Tokantrano maro no nisitraka ireo fanomezana. cc: Sary nomena

Ankoatra izay, amin’izao vanimpotoana ny fankalazana ny Krismasy izao dia tsy noadinon’ny Fitafi Moramanga ny nizara akanjo sy vatomamy ho an’ireo ankizy sahirana izay hiandraiketan’ny Pretra ao amin’ny fiangonana katolika Notre Dame de Mont Carmel ao Moramanga.

Ankoatra ireo sehatra maro efa nahafantarana azy hatramin’izay toa ny fampiofanana iisan-karazany ho an’ny tanora, ny fanabezana olom-pirenena vanona, ny fiarovana ny tontolo iainana, dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa ny fikambanana Fitafi Madagasikara izao asa sosialy. Marihina fa misehatra amin’ny fampanajana ny zon’olombelona sy ny fampandrosoana maharitra ny fikambanana.

Toria Dimbiniaina

0 comments on “Fitafi Moramanga – Nizara fanomezana ho an’ny tokantrano sahirana 26Add yours →

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: