Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fiovaovan’ny toetrandro : maro ireo olona voan’ny gripa

Book News 0

Last updated on août 28, 2018

Aretina mpahazo ny olona amin’izao ny gripa. Ny andro mangatsiaka no mahatonga izany hoy ny Dokotera Fidy Bariniaina, avy ao amin’ny Clinique Fidy Ambatomainty. Manomboka amin’ny sery madinidinika izany. Mitohy amin’ny koaka ary mety hitarika amin’ny fanaviana sy fahasemporana ary ny harerahana. Tokony hitondra akanjo mafana foana raha vao mahatsiaro mangatsiaka.

Ny trano dia tokony ho azon’ny rivotra hatrany, satria raha mihiboka dia mahatonga gripa. Noho izany dia tokony ho azon’ny masoandro ihany koa ny trano fonenana. Ny trano koa dia tsy tokony ho mando lava. Ny fahamandoana dia mahatonga ny koaka.

gripa
Dokotera Fidy Bariniaina, mpitsabo ao amin’ny Clinique Fidy Ambatomainty.
cc: Toria Dimbiniaina

Tokony ihinana voankazo matetika sy legioma misy otrikaina mitondra hery fiarovana ihany koa ny olona tsirairay.

Marihina fa tsy mety ny manao dokotera tena. Mila manantona toeram-pitsaboana na mpitsabo avy hatrany raha vao manavy na misy fambara haretina.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.

%d blogueurs aiment cette page :