Last updated on mars 14, 2019
Maro ireo tanora no mbola sahirana mandrafitra ny CV sy ireo taratasy ilaina rehefa hitady asa amin’izao. Manoloana izany, nikarakara fiofanana ho an’ny tanora malagasy 400 ny fikambanana Fitafi, mahakasika ny paikady ahazoana asa.
Fiofanana momba ny paikady ahazoana asa
Tontosa ny Sabotsy maraina teo teny amin’ny sekoly Saint Michel Amparibe ny fiofanana momba ny paikady ho entina ahazoana asa nokarakarain’ny fikambanana Fitafi na Firaisankinan’ny tanora andrin’ny firenena.
Izany dia vokatry ny fiarahamiasa amin’ny Orinasa Seven Puzzles, Book News Madagascar, Madatop Info, Madagascar Information, Sepamad.

Fampiofanana momba ny fandrafetana ny “Curriculum Vitae” na CV sy ire taratasy ilaina rehefa hitady asa, ireo paikady isan-karazany rehefa hihaona amina mpampiasa,izany no natoro ireo tanora manodidina ny 400 no tonga namaly ny antso.

Tanjon’ny fikambanana Fitafi ny hanampy ireo tanora hivoatra sy hanova ny Fiarahamonina ho any amin’ny tsara. Ny fikambanana dia tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika fa mijery zavatra lavitra ho an’ny fiarahamonina.
Hisy araka izany ny fiofanana arakasa sy fampivoarana ny maha olona omen’ny fikambanana isam-bolana.
Marihina fa Faritra maro manerana ny Nosy no misy ny Fitafi amin’izao.
Toria Dimbiniaina