Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fanaraha-maso ny fifidianana – Ahafahana mamoaka soso-kevitra amin’ny tolo-dalana

Book News 0

Last updated on juin 4, 2019

Zava-dehibe ny fanarahamaso ny fifidianana satria ahafahana manohy ireo tsara vita sy manarina ireo lesoka.

Zava-dehibe ny fanaraha-maso amin’ny fotoana rehetra   

Efa vonona tanteraka amin’ny fanaraha-maso ny fifidianaana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Safidy. cc : Sary tahiry

Ny hampafantarana ny zavatra tsara tohizana na zavatra harenina sy hatsaraina no ilàna ny vokatry ny fanarahamaso.  Ilaina ihany koa ny fanarahamaso mba ahafahana manome soso-kevitra amin’ny tolo-dalàna momban’ny fifidianana.

Andraikitry ny fiarahamonim-pirenena ny fanarahamaso ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.  Noho izany, manaramaso ny fanarahan-dalàna ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana toa ny haino aman-jery, ny mpifidy, ny Kandidà, ny mpikarakara fifidianana (HCC, CENI),…ny Ivon-toerana Safidy. Jeren’ny Safidy ny fomba asan’ny haino aman-jery. Arahiny maso ihany koa ny maqhakasika ny mpifidy. Dinihiny amin’izany ny fahafahan-ny mpifidy misitraka ny zony sy ny fanajana ny zony.

“Ny Safidy dia manaramaso amin’ny fotoana rehetra. Manaramaso mialohan’ny fifidianana, manaramaso ny fifidianana, ny fitoriana, ny fampanantenana nataon’ny kandida voafidy”

hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Safidy, Razanamahefa Stella.

Tsiahivina fa efa  niasa ny Ivotoerana Safidy hatramin’ny taona 2017. Nanaramaso nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena 2018. Mbola  mitohy izany fanaraha-maso mahakasika ny fifidianana izany hatramin’izao. Anisan’ny arahina amin’izany ny fizotran’ny fitoriana natao tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fanaraha-maso ny fampanantenana nataon’ny Kandidà voafidy.

Ankoatra ny fanarahamaso ny fifidianana Solombavambahoaka amin’izao dia efa manaramaso ny fifidianana Ben’ny Tanàna izay atao amin’ity taona ity ihany koa ny Safidy.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.