Last updated on juillet 15, 2019
31% ny taham-pahavitrihana ankapobeny vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny antontan’isa voarain’ny CENI. Nihena dia nihena izany raha oharina amin’ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny volana desambra 2018.
Nihena ny taham-pahavitrihana
31% ny taham-pahavitrihana ankapobeny vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny antontan’isa voarain’ny CENI na ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Nahitana fihenana be io isa io, raha oharina amin’ny taham-pahavitrihana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny volana desambra 2018, izay nahatratra 48%.
Ny Distrikan’Ankazobe sy Ambovombe no nahitana taham-opahavitrihana ambany indrindra : 10% raha toa ka ny distrikan’Ambositra no manana mpifidy nandatsabato be indrindra : 56%
Mpifidy 10 tapitrisa manerana ny Nosy no nandrasana hanefa ny adidiny tamin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity.
“Antony maro no nahatoga ny fihenan’ny tahan’ny mpifidy ho latsaka ambany izay fa tsy miankina amin’ny CENI”,
hoy ny Filohan’ny CENI, Hery Rakotomalala.
Saika manerana ny Nosy no ahitana izao fihenan’ny taham-pifidianana izao. Efa misy ny fanentanana nataon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana sy ireo fiarahamonim-pirenena amin’ny handehanan’ny olona hifidy.
Araka ny tatitra nataon’ny CENI dia nisokatra avokoa ireo biraom-pifidianana 25 388 manerana ny Nosy na dia nisy aza ny fahataran’ny ora fisokafana tamin’ny biraom-pifidianana vitsivitsy. Ohatra : ny tany Beraketa, tamin’ny 10 ora sy sasany vao nisokatra noho ny fahatrana tamin’ny fakàna ireo fitaovana tany amin’ny kaominina.

cc : Toria Dimbiniaina
Lisi-pifidianana
Naharaisana fitarainana maro ny mikasika ny mpifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana. Antony telo no azo anazavana izany :
- Ny « opération de déboulonnage » izay nataon’ny CENI dia mamafa avy hatrany ireo fisoratana anarana miverimberina fa kosa mitazona ny fisoratana anarana any amin’izay adiresy nisoratan’ilay mpifidy farany. Vokatr’izany dia misy marobe amin’ireo mpifidy no misoratra anaty lisi-pifidianana any amin’izay adiresy hafa ankoatra ny fonenany amin’izao fotoana.
- Ny « éclatement des bureaux de vote », na ny fampitomboana isa ireo biraom-pifidianana rehefa mihoatra ny 700 ny mpifidy hita ao aminy.
- Ny hosoka sy halabato izay hanokafan’ny CENI fanadihadiana hamantarana izay tomponantoka tamin’ny fanesorana mpifidy tao anaty lisi-pifidianana.
Na eo aza ireo tsy fahatomombanana ireo dia hanao izay azony atao ny CENI hanao izay fomba rehetra hanatsarana ny lisi-pifidianana mialoha ny fifidianana Solombavambahoaka.
Fampitaovana ny fifidianana
Tonga teny amin’ny biraom-pifidianana avokoa ny fitaovana rehetra na dia nisy aza ny tsy fahampiana teo amin’ny antontan-taratasy toy ny bileta tokana. Voavaha ara-potoana kosa ny olana satria ny rantsamangaikan’ny CENI eny amin’ny distrika dia efa nanana fitaovana fiandry.
Nitombo be ny fahavitrihan’ireo kandida nandefa solontena hanaramaso ny fizotry ny latsabato isaky ny biram-pifidianana. Izany dia manatsara ny fiainana ny mangarahara ao anatin’ny zotram-pifidianana.
Ankoatra izay dia vitsy dia vitsy ireo olompirenena nanatrika fanisam-bato amin’ny ankapobeny. Vitsy toy izany koa ireo olompirenena nanaiky ho mpanisa vato (scrutateur).
Toria Dimbiniaina