Mahakasika ny daholobe ny fifidianana. Voakasik’izany avokoa rehefa olona mihoatra ny 18 taona, na mpiasa birao, na mpitondra fiara, na mpivarotra, eny, na mpanakanto aza… Nanapa-kevitra ny handray andraikitra manoloana izany ny mpanakanto malagasy.
Fifidianana 2018: famoronan-kira
Mozika. Io no fitaovana entin’ireo mpanakanto andraisana andraikitra manoloana ny tsy faharisihan’ny olom-pirenena hifidy. Mpanakanto 50 araka izany no nifandrimbona hamorona hira sy horonantsary iray hanentanana ny olona hifidy. Ny fifidianana izay hatao amin’ny 7 novambra izao ny fihodinana voalohany ary ny 19 desambra izao ny fihodinana faharoa.
Sady fanabeazana no fanentanana no ihany koa fampivoarana ny ara-kolontsaina ity famoronan-kira ho an’ireto mpanakanto ireto.
Hafatra anatin’io hira io ny famporisihana ny tsirairay hifidy.
“Andao hifidy, adidy io, safidinao io! Na vato fotsy aza tsy maninona! Ny zava-misy mantsy, ny olona tsy maharisika hifidy nefa izay lany eo mahasosotra foana. Ilaina anefa ny mifidy”, hoy i Bekoto, mpamorona ny hira.
“Izahay artista eto tsy hoe hanao “propagande”, na hoe mirona amin’ny antoko, fa manao fanentanana”, hoy izy nanamafy.
Fampivoarana ny ara-kolontsaina
Araka ny nazavain’i Bekoto ihany koa, fifandrimbonana sy fiaraha-miasan’ireo mpanakanto ity famoronan-kira ity.
Somary hiavaka ny gadon-kira satria sady misy feon-java-maneno maromaro (symphonie), misy sôva, misy “rap”, misy “slam”, misy beko… Nafangaro izy ireo mba hampiavaka ny feon-kira. Hita taratra araka izany ny fivoarana ara-kolontsaina amin’ny alalan’ny fampifangaroana endrika mozika samihafa.
Kendrena hivoaka amin’ity faran’ny volana aogositra ity moa ilay hira sy ilay horonantsary.
Tetikasa Fanoa
“Izy ity dia fanentanana ny olona handray andraikitra: manentana ny olona hifidy, handinika vao hifidy, ary hiaro ny safidiny amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny fifidianana”, hoy i Hariniaina Rakotobe.
Ankoatran’ny hira, mbola hisy endri-panentanana hafa hatao eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny mandrapahatongan’ny fifidianana.
0 comments on “Fifidianana: mandray andraikitra ny mpanakanto” Add yours →