Natsangana ny « Komity iombonana ho amin’ny dinam-pifanarahana » natao hanara-maso ny fampiharana ny dinam-pifanarahana ny fitsipi-pitondran-tena sy fahitsiana ho an’ireo mpilatsaka hofidiana, ho fitoniana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Komity iombonana ho amin’ny dinam-pifanarahana
Ny Alatsinainy 3 Septambra teo no najoro ny « Komity iombonana ho amin’ny dinam-pifanarahana » hanara-maso ny fampiharana ny dinam-pifanarahana ho amin’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Natao izany mba hanajana ny foto-kevitra iorenan’ny atao hoe fifidianana demokratika izay hitondra ho amin’ny fifidianana marina.
Ilaina araka izany ny Fahitsiana, ny tsy fitanilàna, ny fanajana ny Lalàna, ny Zo sy ny Fahalalahana mba tsy hisian’ny krizy vaovao izay mety hampitondra faisana indray ny Firenena avy amin’ireo mpiantsehatra miatrika ny fifidianana, indrindra fa ireo mpilatsaka hofidiana sy ireo antoko politika samihafa.[amazon_link asins=’B01M2YMTCU,B071771VPS,B006Z4F0SM,B073QTC1WN’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’c067b4b2-b0d3-11e8-be65-71ba8a893817′]
Noho izany, tokony mampiseho ny fahavononany hanaja tsara ny zotram -pifidianana ka tsy hanao izay hisian’ny korontana na sanatria hampikatso ny firenena ny mpiantsehatra tsirairay avy.
Ny seha-pahefany
Araka ny fampitam-baovao voaray, ny Komity dia hanara-maso ny fampiharana sy ny fanajana ny dina, ka amin’ny alalan’ireo vaovao mari-pototra voaangona avy any anivon’ny Faritra no hanaovana an’izany, ary hampahafantarina ny daholobe.
Voalaza izany fa ny dina novolavolaina dia hatolotra an’ireo mpilatsaka ho fidiana sy ireo antoko politika mba hahafahan’izy ireo mitondra izay heverin’izy ireo ho fanatsarana , ary hanao ny fankatoavana an’izany.
Rafitra miara-miasa
Misy ireo andry sy rafitra ara-panjakana mandrindra izany, dia ny Fifanakalozan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI), ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona na ny Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme (CNIDH).
Hita ao ihany koa ny Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’État de Droit (HCDDED), ny Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité (CSI), sy ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na ny Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) ary ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiam-bola (SAMIFIN).
Mandrindra izany ihany koa ireo fikambanana eo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena toy ny tetik’asa Fandio (Fifidianana Antoka ho an’ny Daholobe Ifantenana Olombanona), ny ONG Tolotsoa, ny Transparency Internatioinal Initiative Madagascar, ny Justice et Paix, ny hetsiky ny Fiaraha-monim-pirenena (Rohy).