Last updated on octobre 9, 2018
“Amin’ny 7 Novambra ihany ny fifidianana”, hoy ny kandidà Dama.
Tsy manaiky

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro ny fikasahan’ireo kandidà sasany ny henemorana ny fifidianana. Manoloana izany dia nanambara ny kandidà laharana fahefatra, Rasolofondrasolo Zafimahaleo na i Dama fa “tamin’ny 30 Jona, teny Antanimena, efa nambarako fa mety amiko io datim-pifidianana io. Tsy manemotra izany aho fa efa vonona hiatrika.”
Fotoana izao hanasoavana ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Tsy hijanona hirahira ny zava-tsy mety intsony ny tenany fa hanasoa ny Malagasy. Vitany ny filazana sy fanaovana mampalahelo. Tsy ekena ny fanaovana ny Malagasy to any entam-barotra. Noho izany, raisina an-tanana ny fanarenana an’i [amazon_link asins=’B01M2YMTCU,B071771VPS,B01N5EV9F2′ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’d2f93882-b6a4-11e8-be5e-e7d2a1a8a52f’]Madagasikara. Misy ny manararaotra ny fahantran’ny Malagasy, nefa izy ireo ihany no mampahantra.
Fananganana “Fondation”
Hisy ny fananganana “Fondation” amin’ny tolo-tanana. Tsy vola ihany fa mety ho fahaiza-manao, fanoloran-tena hiasa an-tsitrapo. Hoporofoina fa manan-katao isika Malagasy. Amin’ny alalan’ny telefaonina, tranonkalam-pifandraisana, banky ny tolo-tanana. Havoaka mangarahara ny lisitry ny olona manome sy ny fandaniana.