Last updated on novembre 26, 2018
Manaraka fiofanana amin’ny fanatontosana sarimihetsika ny tanora 30 avy amina fikambanana maro eto amin’ny Nosy. Tanjona amin’izany ny famokarana sarimihetsika mahakasika ny fifidianana.
Tanora mamokatra sarimihetsika momba ny fifidianana
Ho hitanao tsy ho ela. Sarimihetsika dimy vokarina tanora mpikatroka amina fikambanana maro no hivoaka atsy ho atsy mahakasika ny fifidianana sy ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena amin’ny fifidianana. Sarimihetsika izay vokatry ny fampiofanana omen’ny fiarahamonim-pirenena Rohy sy ny RFC (Rencontre du Film Court) ho an’ireo tanora 30 voafantina tamin’izany.
Mifarana androany ny fampiofanana izay naharitra herinandro sy tapany teo ho eo, notontosaina teny Ambatonakanga.

cc: Pixabay
Nandritra ny fampiofanana dia nampiarina ny mpiofana avokoa ireo dingana arahina rehefa hamokatra horonantsary: famadihana hevitra ho lasa tantara, fanoratana tantara, teny sy voambolana fampiasa, fitantarana, fidinana eny ifotony manatontosa ny tantara, araka ny fanazavan-dRajaoarinarivo Tianjato Gatien, Filohan’ny fikambanana Ariart, anisan’ireo mpampiofana.
Ho an’ireo mpiofana dia maro ireo zavatra voaray nandritra ny fampiofanana. Nisy moa ny fianarana teorika fa nisy koa ny pratika.
« Tsy nanana traikefa firy tamin’ny resaka fanatontosana horonantsary izany mihitsy aho, na amin’ny resaka famoronana tantara, fomba fanoratana, fomba fakàna sary, fidinana ifotony… Nahazoana fahalalana ilay fampiofanana. Nahafahana ihany koa nanitsy ireo hevi-diso, indrindra teo amin’ny lafiny fanoratana tantara. Tombony iray koa ny fiarahana tanaty vondrona, satria mpikambana avy amina fikambanana maro izahay no tafaraka ao », hoy i Ramanamiseta Joary Carol, tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana JAI na Jeunes actifs inter-régional.
Ny tanjona amin’ny famoahana ireo horonantsary ireo dia ny fampandraisana andraikitra ireo tanora amin’ny fifidianana, ny ampiakarana ny taham-pandraisana anjaran’ireo mpifidy sy ny fandraisan’ireo tanora anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Tafiditra anatin’ny tetikasa Fanoa na Fifidianana andraisan’ny olom-pirenena andraikitra moa ity famokarana horonantsary ity.
Ireo tanora nandray anjara tamin’ny fampiofanana moa dia 15 ka hatramin’ny 25 taona, liana amin’ny famokarana sarimihetsika, ary mpikambana amina fikambanana. Sady mpanatontosa moa izy ireo no mpilalao ihany koa amin’ilay horonantsary hovokarina.