Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fifidianana 2018 – Ireo soson-kevitry ny Safidy andrindrana ny fihodinana faharoa

Book News 1

Last updated on décembre 23, 2018

Hotanterahina ny 19 desambra ho avy izao ny Fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena. Manoloana ireo lesoka sy tsy fahalavorariana nisy tamin’ny Fihodinana voalohany, dia manolotra soso-kevitra ho fanatsarana ny fifidianana ny Safidy.

Safidy : fehiny sy soson-kevitra ho an’ny Fihodinana faharoa

Ny kandidà laharana faha-13, Andry Nirina Rajoelina, sy ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, izay nahazo tahan’isa 39,23% sy 35,35% avy, no hiatrika ny Fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena.

Hisokatra ny 3 desambra ho avy izao ny fampielezan-kevitra ary haharitra 15 andro. Ny 19 desambra kosa no hotanterahina ny fifidianana.

Manakaiky ny fotoana. Manoloana ny lesoka sy fahalavorariana niseho tamin’ny Fihodinana voalohany, manolotra soson-kevitra entina hanatsarana ity Fihodinana faharoa ity ny Safidy (Sampana anaraha-maso ny fifidianana, Ivon’ny demokrasia ifarimbonana). Voakasika manokan’ireo soson-kevitra ireo ny kandidà anankiroa, ny haino aman-jery ary ireo rantsa-maingaka rehetra misahana ny fahatontosan’ny fifidianana, anisan’izany ny CENI sy ny HCC.

1-      Tokony hanome toromarika ampahibemaso amin’ny haino aman-jery ho an’ny mpomba azy any amin’ny faritra rehetra ny kandida roa laharana faha-13 sy faha-25 hifaninana mba hanao fanehoan-kevitra ao anatin’ny fifanajana sy tsy misy fifampihantsiana ary fifandranitana indrindra ny fampisehoana herisetra na io noho ny antony ara-piaviana na ara-pinoana na hafa. momba izany.

2-      Entanina koa ny kandida mba handresy lahatra ny mpifidy amin’ny fanazavana ny hevitra sy ny programany fa tsy hampiasa vola, na fanomezana hafa hanambazana ny mpifidy satria toa miendrika kolikoly sy fisehoana ivelany fotsiny ihany izany.

3-      Apariaka ny mpitandro ny filaminana hifehy ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny faritra be  dahalo satria mety hisy hanararaotra ny fotoana fampielezan-kevitra.

4-      Ny haino aman-jery indrindra ny an’ny fanjakana dia tokony hametraka programa manokana, betsaka kokoa sy mitovy mba ahafahan’ny kandida/mpomba azy mandresy lahatra ny mpifidy ary koa ahafahan’ny mpikatroka hafa toy ny CENI, ny HCC sy ny firaisamonim-pirenena mitondra fanazavana ny andraikiny sy ny fomba fiasany ary manabe ny olompirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana.

5-      Tokony handroso hatrany ny CENI na ny HCC na eo aza ny tsindry sy ny kiana mahazo ary tokony manamafy sy manatsara ny fomba fiasany mba ho tomombana koa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

A.A

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.