Last updated on novembre 7, 2018
Vao vita ny fanaovan-tsonia ny Dina ara-pitsipi-pitondra-tena sy fahitsiana dia efa nanomboka ny fanaraha-maso ireo kandidà nanasonia izany. Nivoaka ny tatitra voalohany ka voalaza ho tsy nanaja ny Dina ny kandidà Rajaonarimampianina Hery, Rajoelina Andry Nirina sy Ravalomanana Marc.
Tsy nanaja ny Dina
Anatin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao, arahina maso akaiky ireo kandidà nanasonia ny Dina ara-pitsipi-pitondra-tena sy fahitsiana. Namoaka ny tatitra voalohany ny Komity mpanara-maso. Hita ary fa kandidà telo no tsy nanaja ny Dina tao anatin’ny fotoana voafetra: ny 8 ka hatramin’ny 17 oktobra 2018.
Ny kandidà laharana faha 12: Rajaonarimampianina Hery, ny laharana faha 13: Rajoelina Andry Nirina, ary ny laharana faha 25: Ravalomanana Marc, no voalaza fa nandika ny Dina nosoniavina.
Ny fizarana entana, ny fampiasana fitaovam-panjakana, ny fanomezana vahana bebe kokoa ny fialamboly noho ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra, no fandikan-dalàna nataon’ny kandidà Rajaonarimampianina Hery, araka ny tatitra nalefan’ny Komity, omaly.
Ny fizarana vola, ny fandaniam-bola mihoam-papana sy tsy am-piheverana manoloana ny fahantrana mangitsokitsoka, ny fanomezana vahana bebe kokoa ny fialamboly noho ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra, ny tsy fanajana ny lalam-pifidianana momban’ny lisi-pifidianana, ny fanirahana olona hanakorontana fampielezan-kevitra kandidà hafa, ireo kosa no fihetsika tsy mendrika ataon’ny kandidà Rajoelina Andry Nirina sy ny mpiara-dia aminy. Marihana fa tsy nanasonia ny Dina moa ity kandidà ity saingy hita kosa fa manao fihetsika tsy mendrika amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao.
Ny fihetsika miendrika fiantsiana ny fandrangitana ataon’ireo mpanara-dia tsy voafehy kosa no angatahana fiheverana avy amin’ny kandidà Ravalomanana Marc.

cc: Facebook
Manentana ireo kandidà telo ireo, sy ireo rehetra nirotsaka hofidiana, na nanasonia ny Dina na tsia, hanana fihetsika mendrika sy hitàna ny teny nomeny moa ny Komity mpanara-maso.
Loharanom-baovao entina anaovana fanarahamaso
Ity fanarahamaso ny fanajana ny Dina ity dia mifototra amin’ireo tranga misy, izay voamarina ny fisiany eo amin’ireto loharano ireto, araka ny fanazavana azo :
– Fampitam-baovao : an tsoratra sy fahitalavitra
– Antso amin’ny alalan’ny laharana maitson’ny Tetikasa Fandio
– Filazana avy eo amin’ny Rantsa-mangaikan’ ny Komity eny ifotony
– « Plateforme d’alertes précoces » arindran’ny Tetikasa PEV : www.alerte.pevmadagascar.eu
– Asan’ny Mpikambana mandrafitra ny Komity, anisan’izany ny « Initiative pour la transparence financière » na hetsika hangatahana mangarahara ara-bola izay ataon’ny TI IM, ka hikatona amin’ny faha 31 Oktobra 2018.