Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fifidianana 2018 – Kandida 12 nanao sonia ny Dina tao anatin’ny fotoana voafaritra

Book News 0

Last updated on novembre 7, 2018

Nifarana ny Alahady 7 oktobra 2018 teo ny fanaovana sonia ny Dina ara-pitsipi-pitondran-tena sy fahitsiana amin’ity fifidianana 2018 ity.

Kandidà 12 nanao sonia ny Dina

Kandidà 12 amin’ireo 36 nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena no nanao sonia ny Dina ara-pitsipi-pitondran-tena sy fahitsiana. Ny Alahady 7 oktobra teo moa no fe-potoana farany nahafahan’ireo kandidà naneho ny fankasitrahany ity Dina ity. Notanterahina androany teny amin’ny foiben’ny tetikasa Fandio ny fanaovan-tsonia, natrehin’ireo mpiara-miasa amin’ity Dina ity.

Toy izao araka izany ny lisitr’ireo kandidà 12 nanao sonia ny Dina tao anatin’ny fotoana voafaritra hanaovana izany:

– Rakotofiringa Richard Razafy
– Rabary Andrianiaina Paul
– Rabeharisoa Saraha
– Radavidson Andriamparany B
– Rajaonarimampianina R. Hery M
– Mahafaly S. Olivier Jocelyn
– Radilofe Mamy Richard
– Ravelonarivo Jean
– Randriamorasata Solo Norbert
– Rasolonjatovo Falimampionona
– Rakotomamonjy Jean Max

Ny komity dia manamarika fa ny kandidà Rasolofonjoa Haingo A. dia nanao sonia ny dina taorian’ny fe-potoana napetraka noho ny antony tsy azony nanoharana.

Tsy nikendry ny fahazoana sonia maro be tsy akory ny komity, sonia maro izay tsy midika fahombiazana, fa sonian’ny mpikatroka eto amin’ny firenena, izay tonga saina amin’ny andraikiny handray anjara an-kitsim-po amin’ny hisian’ny fifidianana madio sy milamina.

Ny komity dia mampatsiahy fa ny antom-pisian’ity Dina ity dia hiarovana ny tombontsoan’ny mpifidy satria fitaovana iray hanampy azy amin’ny safidiny izany ary koa mariky ny toky omen’ny kandidà ireo mpifidy izany.

Marihina fa nisy kandidà vitsivitsy nilaza ampahibemaso ny finiavany hanao sonia ny Dina, fa tsy tonga tao anatin’ny fotoana voafaritra hanaovana izany. Ny fanaovana sonia dia nikatona mba ho fanajana ny teny nomena sy ireo fepetra nofaritina niaraka.
Efa hanomboka hanao ny asany ny ambaratonga voakasika ny fanarahana ny fampiharana sy ny fanajana ny Dina. Ka hampifantarin’ny kaomitin’ny Dina isan-kerinandro an’ny daholobe ny valiny.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.