Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fifidianana 2018 – Fampandrosoana miainga eny ifotony no katsahin’ny kandidà Dr Jules Étienne

Book News 0

Last updated on septembre 16, 2018

Madagasikara milamina sy madio ary mangarahara no fototry hijoroan’ny Antoko Madagasikara Fivoarana na ny Mafi, izay  manolotra an’i Dr Jules Etienne ho kandidà amin’ny fifidianana 2018.

Fampandrosoana miainga eny ifotony

Dr Jules Etienne
Dr Jules Etienne
cc: Mafi

Manolotra ny kandidà Dr Jules Etienne ny antoko Madagasikara Fivoarana na ny Mafi. Fototra hijoroan’ny antoko ny filaminan’ny firenena sy ny fahadiovana ary ny fangaraharan’ny fitantanana.

Laharam-pahamehana ho an’ny Dr Jules Étienne ny fampandrosoana ny firenena mianga any ifotony. Mifantoka amin’izay indrindra ny programan’asany.

« Hojerena manokana ny sehatry ny fahasalamana, ny Fanabeazana, ny fandriampahalemana, ny fanjariantsakafo », hoy izy ny Alarobia teo, nandritra ny fifampiresahana tamin’ny mpanao gazety.

Tsy maintsy omena fahefana ny tomponandraikitra eny ifotony ahafahana manatanteraka izany. Hosoloina ho filohan’ny Fokonolona ny filoham-pokontany.

Ankoatra ny fitantana ny tany dia hitantana olona ihany koa ny filohan’ny Fokonolona. Hiara-hiasa amin’ny mpitondra eny ifotony ny mpitandro filaminana mba hametrahana ny fandriampahalemana.[amazon_link asins=’B071771VPS,B07BNTSJHD,B01J9GB0IG,B07CZGW8JH’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’4894c380-ac75-11e8-ad7a-872dc99e07d5′]

Hampiakarina ihany koa ny karaman’ny Lehiben’ny Fokonolona, rah any nambarany.

Hapetraka ny « décentralisation totale » na ny fanaparihampahefana tanteraka. Hapetraka ny « Fonds national de solidarité  » amin’ny alalan’ireo harempirenena. Izany no atao mba ahafan’ny Malagasy misitraka ny harena misy eto amintsika.

Dr Jules Etienne

Teraka ny 19 aogositra 1958 no teraka tao Manakara, faritra Vatovavy-Fitovinany, i Dr Jules Etienne Roland. Jules Etienne sy Narisoa Rosette no ray aman-dreniny. Taranaka fianakaviana mpanao politika hatrizay izy. Filohan’ny Antenimieram-pirenena voalohany teto Madagasikara Ravony Jules, izay rahalahin-drainy. Telo mirahalahy ny zanany. Rufin Soatiana Zafisamba ny vadiny.

Niady ho an’ny tanindrazana hatrany ny fianakaviany, ary mbola izay no antony ijoroany ankehitriny. Ny taona 2007 izy no nirotsaka tamin’ny sehatra politika. Nanangana ny antoko politika Mafi izy ny taona 2009. Teny filamatry ny antoko ny hoe “Madagasikara mafy orina, fitantanana madio sy mangarahara”.

Minisitry ny Indostria izy ny taona 2014 ka hatramin’ny 2015. Nanosika ny orinasa fanamboarana fiara Karenjy tao Fianarantsoa izy, taratasy fahazoan-dalana hamokatra ho ana orinasa 1 582 no navoakany tamin’izany. Nisy ihany koa ireo tetikasa lehibe fanorenana trano, ny fanitarana ny orinasa Secren, ny fanomezan-danja ny orinasa malagasy toy ny orinasa Tiko izay an’ny fianakavian’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.

Mpitsabo nanomboka ny taona 1990 izy tany ivelany, saingy resy lahatra izy fa mila mampandroso ny fireneny ka nody an-tanindrazana.

Izy no nanome ny laharany fahatelo tao amin’ny biletà tokana mba nahafahan’ny Filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina nilatsaka ho kandidà tamin’ny 2013.

Eo amin’ny resaka finoana kosa, mpino katolika i Dr Jules Etienne. Ny rahalahin-drainy Ravony Jules no masoivohon’i Madagasikara voalohany tany amin’ny fiketrahana masina tao Vatikana. Mifanerasera amin’ny mpino rehetra sy ny ankolafy politika rehetra izy na izany aza. Izany dia ahafahany manatontosa ilay teny filamany hoe: “Laharam-pahamehana avokoa ny rehetra mba ahafahana mampandroso an’ity Madagasikara malalantsika ity.”

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.