Last updated on octobre 9, 2018
Kandidà 6 amin’ny 36 no nanasonia ny Dina ara-pitondratena sy fahitsiana amin’ity fifidianana 2018 ity.
Kandidà 6 nanao sonia ny Dina
Enina ny isan’ireo kandidà nanasonia ny “Dina ara-pitsipi-pitondran-tena sy fahitsiana ho an’ireo mpilatsaka hofidiana, ho fitoniana amin’ny fifidianana filoham-pirenena”, na ny “Charte de bonne conduite et d’intégrité des candidats pour une élection présidentielle apaisée”. Mbola vitsy izany, raha 36 ireo kandidà nilatsaka hofidiana.
Ireto avy ireo kandidà ireo:
– Rakotofiringa Richard Razafy
– Rabeharisoa Saraha
– Radilofe Mamy Richard
– Randriamorasata Solo Norbert
– Rasolonjatovo Falimampionona
– Rakotomamonjy Jean Max.
Izy enina ireo no nanatontosa ny fanaovan-tsonia izay notanterahina ny alarobia lasa teo teny Anosy.
Ny Alahady 7 oktobra izao no fe-potoana farany ho an’ireo mbola tsy nanasonia izany.
“Ireo tsy nanasonia izany kosa dia hosazian’ireo mpifidy, satria an’ny mpifidy ny hevitra farany”, hoy Hery Rason, mpiandraikitra iray eo anivon’ny tetikasa Fandio, anisan’ny rafitra nandrafitra ny Dina.
Kandidà 10 kosa no nilaza fa mbola hanao sonia.
– Rasolofonjoa Haingo A.
– Rabary Andrianiaina Paul
– Rafalimanana Ny Rado
– Rajaonarimampianina R. Hery M.
– Rajoelina Andry Nirina
– Narison Stephan
– Beriziky Jean Omer
– Ravelonarivo Jean
– Ratsiraka Iarovana Rolland
– Rasolovoahangy Roseline Emma.
Tsy manaiky

cc: Facebook/Fandio
Kandidà 5 ihany koa dia tsy nanaiky ny hanasonia ny Dina.
Anisan’izany:
– Andrianoelison José
– Ramaroson Arlette
– Ernaivo Fanirisoa
– Mailhol André Christian Dieu Donné
– Ratsiraka Didier Ignace.
Hafa
Ankoatra izay, misy ihany koa ireo kandidà mbola milaza ny handinika, toa an’i Robimanana Rivomanantsoa Orlando.
Nilaza fa tsy naharay fanasana kosa ny kandidà Mahafaly S. Olivier Jocelyn.
Tsy mbola naneho ny heviny kosa hatreto ireto kandidà manaraka ireto :
– Tabera Andriamanantsoa
– Rasolofondraosolo Zafimahaleo
– Jules Etienne Rolland
– Ratsietison Jean-Jacques Jedidia
– Andriantseheno Lalaoarisoa M.
– Radavidson Andriamparany B.
– Bezaza Marie Eliana Pascaline Manasy
– Rajaonary Erick Francis
– Randriamampionona Joseph Martin
– Ravalomanana Marc
– Imbeh Serge Jovial
– Zafivao Jean Louis
– Rabarihoela Bruno.[amazon_link asins=’B075MM861G,B078SDYK5P,B0743CZ58N,B076F926P7′ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’ee30eab3-c7f8-11e8-9cb9-af5a7abb2f9a’]
Fisalasalana
Anisan’ny mampisalasala ireo kandidà sasany ny anatin’ity Dina ity. Araka ny fanazavan’i Fanirisoa Ernaivo, tsy mety hanasonia izy satria tsy mahatoky io lisitry ny kandidà navoaka io aloha izy hatreto, ary mety tsy hahatoky ny valim-pifidianana ihany koa.
Ho an’ny olom-pirenena sasany indray, toa tsy mangarahara tanteraka ny fandrafetana io Dina io.
Manazava moa i Hery Rason fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo kandidà vao norafetana io Dina io, ary nahazo alalana izy ireo hanolotra hevitra ho fanatsarana ny Dina.

cc: Pixabay
Ankoatra izay, ho an’ireo nanasonia dia hisy ny fanaraha-maso ireo kandidà. Raha sanatria misy ny tsy fanarahan-dalàna dia avoakanay ao amin’ny « Komity iombonana ho amin’ny dinam-pifanarahana » na ny “Comité paritaire pour la charte” izany.
Nohamafisin’ny Komity moa fa tsy ny fanasoniavana ny Dina no tena vaindohan-draharaha fa ny fahatsapan’ny olom-pirenena tsirairay ny fahavononan’ireo kandidà, sy ny fahaizan’ny tsirairay mandinika manoloana ny zava-mitranga rehetra.