Last updated on janvier 9, 2020
Tsy mitsaha-mitombo ny fitohanana eto an-drenivohitra. Manoloana izany dia mametraka paikady vaovao hampihenàna izany ny polisim-pirenena.
Paikady vaovao hampihenàna ny fitohanana
Taorian’ny fanentanana sesilany nataon’ny polisim-pirenena ho an’ireo mpampiasa lalana dia nisy ny paikady vaovao napetraky ny ministry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger, amin’ny fampihenana ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.
« Manana adidy sy andraikitra ny Polisy hanampy ny mpiara-monina ka misy ny tetikasa vaovao handrindrana ny fifamoivoizana »,
araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana.
Hisy araka izany ny fepetra ho raisina toy ny fampitomboina ny isan’ireo polisy misahana ny fifamoivoizana. Hovatsiana fitaovan-tserasera toy ny « Radio » ireo polisy ireo hanampy azy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana.
Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny OTME izay misahana manokana ireo « caméras de surveillance » eto an-drenivohitra amin’ny fijerena ny fitohanan’ny fiarakodia hahafahana mamaha ny olana.

Cc : Toria Dimbiniaina
Hamafisina ny fandraisana fepetra ho an’ireo posy sy sarety izay minia tsy manara-dalàna ary koa ireo moto izay hita fa isany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana maro samihafa eto an-drenivohitra. Hisy ny fanesorana ireo fiara tsy manara-dalana mijanona amoron-dalana.
Ankoatra izay dia hojerena manokana ihany koa ireo sampanan-dalana miisa 8 eto an-drenivohitra izay tena ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny.
Tetikasa « Quick win »
Ity paikady ity dia tafiditra ao anatin’ilay tetikasa hoe « Quick win » izay mamaritra ny asa maika anaty fe-potoana fohy sy hita maso ary azo tsapain-tanana.
Marihina fa ho an’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka kosa dia mizara telo mazava ny asa izay ho tanterahina dia mahakasika ny fanamorana ny fivezivezena eny an-dalambe sy fisorohana ny fandikan-dalàna ary ny fanenjehana ireo heloka rehetra amin’ny fandikan-dalàna.
Toria Dimbiniaina