Last updated on janvier 4, 2018
Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy ny vovonana Alaotra Rano Soa na ARS izay natokana hiaro ny vala “Ramsar” ao amin’ny faritra Alaotra, ny 6 desambra 2017 lasa teo.
Nitsangana ny ARS
Nambara tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ny vovonana Alaotra Rano Soa na ARS, ny 6 desambra 2017 lasa teo. Antompisian’ny ARS ny fiarovana ny vala “Ramsar” na ireo toerana mando izay arovana noho ny zava-boaary misy ao aminy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ao Alaotra miaraka amin’ny Fokonolona. Tanjona ny hitantanana ity vala ity hahatonga azy haharitra sy ho lovan’ny taranaka mifandimby. Eo ihany koa ny fitazomana ny kolontsaina Sihanaka ary hirindra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny sosialy, ny toekarena ary ny politika, ary ny nambaran’ny filazana ho an’ny mpanao gazety. Haverina amin’ny laoniny araka izany ny fenitra ara-boajanahary ny farihin’Alaotra sy ny faritra ifampiveloman’ny mponina ao aminy.
Fametrahana fitsipika
Nisy ny fanamboarana ny fitsipika anatin’ny vovonana nandritra io fotoana io. Mila mifarimbona ny rehetra amin’ny fikolokoloana ny farihin’Alaotra. Hapetraka mazava tsara ihany koa ny fitantanana sy ny fifampitondrana mirindra eo anivon’ny fokonolona mpiaro ny harena voajanahary. Ilaina ny fankatoavan’ny Faritra, ny Firenena ary ny iraisam-pirenena ny vovonana ARS. Ilaina ihany koa ny fiarovana ny mponina ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny dina ikambanana. Atao izay hampiroborobo ny sehatra asa rehetra hiankinan’ny velontenan’ny mponina (jono, fambolena sy ny fiompiana, sahandriaka sy ny zetra). Miisa 5 ny paik’ady hoentina manatanteraka ireo rehetra ireo. Hamafisana ny fifampitondrana miainga avy ifotony eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hamafisina ny fitantanana maro lafy sy ny fampiasana ara-drariny ary mahomby ny harena voajanahary. Hampiroboroboana ny fitsirihina mateza atao amin’ny harena voajanahary ary hatsaraina ny velotenan’ny mponina. Hapetraka ny paikadim-tserasera mahomby ary marolafy. Mitsinjo ny mety ho fampidiram-bola maharitra hampandehanana ny paikam-pampandrosoanan’ny mponin’Alaotra sy ny tontolo iainana misy azy. Mandritra ny 10 taona no hanatanterahana izany. Marihina fa efa hatramin’ny taona 2007 no nitsangana ity vovonana ity. Manomboka miasa kosa ny ARS taorian’ny fihaonambe notanterahina farany teo, ka Razafindravelo Rabenindriana no Filoha hitantana ity vovonana ity.